PolitikaSongadim-baovaoSosialy

LALAM-PIRENENA FAHADIMY (RN5) : Ho vita amin’ny 2025 ny mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe, 75 Km

Nitohy tany Analanjirofo ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina omaly, taorian’ny fanatrehana ny filankevitry ny minisitra tao Toamasina. Nisy ny fitsidihan’ny Filoha sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny lalana RN 5 mampitohy an’i Vahibe sy Soanierana Ivongo, izay mirefy 75, 835 Km. Nanazava ny Minisitry Asa Vaventy, ny Kly Ndriamihaja Livah fa noho ny ezaky ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina no vy nahitana izao fanamboarana fotodrafitra izao. Tafiditra amin’ilay tetikasa « route du soleil » miainga avy any Taolagnaro ity lalana RN 5 andalam-panamboarana ity.

Hatreto, 39% ny asa vita. Miisa valo ny tetezana hamboarina amin’ity lalana 75km ity. Enina no efa andalam-pahavitana. Isan’izany ny tetezana mirefy 320 metatra mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Matsobe. Andry fototra lehibe efatra no vita ary manao ny pitsopitsony amin’izao fotoana izao. Amin’ny Jona 2025 no tombana ahavitana ity lalana ity.

Ankoatra izay, tontosa tao amin’ny kianjan’ny Ekar Sainte Antoine de Padou tao Soanierana Ivongo ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ireo tantsaha traboina vokatry ny rivo-doza Gamane. Miisa 5000 izy ireo no nisitraka izao tan-tsoroka avy amin’ny Fanjakana izao. Tanjona ny hanarenana ireo voly sy tanimbary simba, foto-piveloman’ireo mponina, izay tantsaha ny ankamaroany ao an-toerana. Masomboly : vary, katsaka, voan’anana ary voankazo isan-karazany no natolotra ireo tantsaha. Mizara telo koa ny zezika nampisitrahana azy ireo. Zezika Npk, Urée ary zezika organika. Nahatratra 102 taonina ny zezika Npk nozaraina tao Soanierana Ivongo. 260 taonina kosa, ny zezika organika ary zezika 26 taonina ny zezika Urée. Miisa 8970 « sachet » kosa, ny masombolina legioma nozaraina tao an-toerana. Masombolina  vary kosa, ny 14 taonina raha 5 taonina ny katsaka.

 »Ho fanampiana sy fanarenana ny fiainan’ireo tantsaha no tena tanjona », raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fambolena sy fiompiana. Mahatratra 1500 hektara ireo tanimboly sy tanimbary simba vokatr’ity rivo-doza ity. 2500 hektara no efa voaarina. Voaporofo izao fa na tsy misy intsony tokoa ireo distrika hadino manerana an’i Madagasikara. Fantatro fa tia ahy ianareo ary izaho koa tianareo. Isika rehetra dia mila mifanampy, na an-kafaliana na an-karatsiana », hoy ny Filoha, Andry Rajoelina. Nanome toromarika ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana izy hijery ny fitsinjarana ireo zezika sy masomboly ireo, mba ho ampy an’ireo tantsaha mifanaraka amin’ny filany.

Asa maro nampanantenaina…

Novalian’ny Filoham-pirenena avy hatrany kosa, ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna lefitra ao Soanierana Ivongo, ny hamadihana ny tanàna ho lasa kaominina an-drenivohitra ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Horaisina ny didim-panjakana momba izany, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena. Nantitranteriny mantsy fa maika ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary mila olona mahay miara-miasa aminy izy, hanafaingana ireo asa maika. Nampanantena ny Filoha, fa hovitaina koa ny kianja sy ny Epp ao Soanierana Ivongo. Ankoatra izay, nisy ny fizarana jiro « Kit solaire » ho an’ny mponina. Hetsika faharoa nataon’ny Filoha teto an-toerana io. Miisa 7059 ireo olona nisitraka izany. Hozaraina jiro avokoa ny tokantrano tsirairay, araka ny fampanantenan’ny Filoha. Fitaovana hahafahan’ny mponina misitraka izany, ny fananana ny karinem-pokontany maoderina. Tanjona ny fitsinjarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ara-drariny.

Nitondrana vahaolana…

Nohamafisin’ny Filoha tao anatin’ny kabariny fa mbola milina lehibe mandeha amin’ny gazoala no mizara herinaratra ho an’i Soanierana Ivongo. Handaniana volabe io ka vahaolana ataon’ny Fanjakana ny fametrahana  »parc solaire » hamokatra herinaratra 1 megawatt ampy an’ity kaominina ity. Efa tonga ao Toamasina io ary hapetraka tsy ho ela. Tsy hisy fahatapahan-jiro ao an-toerana.

Ankoatra izay, isan’ireo fotodrafitrasa notokanana tao Fenoarivo Atsinanana  ny ozinina fanodinana letisia ho lasa voankazo maina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ODOF moa izany. Ity eto Fenoarivo Atsinanana ity dia isan’ireo ozinina 60 efa napetraka manerana an’i Madagasikara. Soso-kevitra nomen’ny Filoha moa ny hametrahana milina fanodinana ny letisia ho ranom-boankazo, ahafaha-miditra amin’ny tsena iraisampirenena. Saika avy any Thaïlande ireo ranomboankazo vita amin’ny letisia. Nefa azon’i Madagasikara atao tsara ny mifaninana amin’izany sy manome vokatra tsara kalitao kokoa.

Rado Harivelo

Fermer