
Songadim-baovaoSosialy
FAMPIANARANA AMBONY : Mahazaka mpianatra hatramin’ny 1500 ny Oniversite vaovaon’Analanjirofo
Nahazo oniversite vaovao ny ao Fenoarivo Atsinanana, izay notokanana afakomaly. Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra ary mahazaka mpianatra 700 hatramin’ny 1500. Araka ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika, nampifanarahana amin’ny filan’ny Faritra ny sampam-pianarana eo anivon’ity oniversite ity. Efa misy ny fiaraha-miasa amina ivon-toeram-pikarohana sy oniversite avy ivelany hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana…
Nahazo oniversite vaovao ny Faritra Analanjirofo, ao Fenoarivo Atsinanana, izay notokanana afakomaly. Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra ary mahazaka mpianatra 700 hatramin’ny 1500. Araka ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika dia nampifanarahana amin’ny filan’ny Faritra ny sampam-pianarana eo anivon’ity oniversite ity. Mahazaka mpianatra 700 hatramin’ny 1500. Ny oniversiten’i Fenoarivo Atsinanana no oniversite vaovao notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina voalohany. Entina itsinjovana ny ho avin’ny tanora rehetra tsy ankanavaka eran’i Madagasikara, no nahatonga ny Fanjakana nametraka ny tetikasa fananganana oniversite amin’ny faritra tahaka ny eto Analanjirofo. Teo aloha mantsy, isaky ny renivohi-paritany enina ihany no nisy oniversite. Ary mila mandeha mifindra alavitra, araka izany, ireo mpianatra tsy monina ao raha te hanohy fianarana akademika sy fikarohana amin’ny Ambaratonga ambony. Mamaha ny olan’ny tsy fahampian’ny toerana amin’ireny Oniversite-panjakana ireny koa ireo vao naorina. Satria raha eo 80.000 isan-taona eo, ireo afaka Bakalorea, dia 40.000 fotsiny no tafiditra sy zakan’ireo oniversite lehibe enina. Isan’ny tombony ho an’ireo mpianatra ny fisiana « campus » misy efitra 80, ary mahazaka mpianatra 160.
Anatin’ny mangarahara…
“Mila atao anatin’ny mangarahara sy tsy misy fanavakavahana ny fizarana ny trano. Tsy tokony ho tahaka ny any amin’ny oniversite hafa. Tsy tokony hisy ny « tranfert automatique », fa izay mendrika, izay mianatra no mahazo ny trano”, hoy ny Filoha, tamin’ireo tomponandraikitry ny Oniversiten’i Toamasina. Ao anatin’ny fari-piadidian’izy ireo mantsy ity oniversite vao notokanana ity. Isan’ny mampikorontana ny fiainan’ny oniversite tokoa ny fitantanana ny tranon’ny mpianatra. Tokony hanaraka ny fenitra hoe ny “meritocratie” na ny fahaizana sy fahamendrehana, ny halaravin’ny fiaviany, ny lafiny sosialy no hahazoan’ny mpianatra trano.
Sampam-piananara maro no misy ao an-toerana. Isan’izany ny ny fianarana lalàna, ny fitantanana, ny
« Agro-management », « agro-production animale », « agro-production végétale », sy ny maro hafa no ampianarina ao amin’ny Oniversiten’i Fenoarivo Atsinanana. Jerena manokana koa ireo sampam-pianarana hafa, izay mifanaraka amin’ny filan’ny faritra sy sehatry ny asa. Vinaniana hosokafana, araka izany, ny fianarana momba ny ranomasina sy ny sisin-dranomasina (science marine et litorale), fizahantany sy ny vakoka, ny teny, soratra ary siansa maha olona, singanina manokana ny fampianarana teny sinoa, sy ny haiolona…
Mpampianatra avy any ivelany…
12 ireo mpampianatra raikitra ao amin’ny oniversiten’i Fenoarivo Atsinanana, ary 50 ireo “vacataires”. Hisy koa mpampianatra vahiny telo, avy any amin’ oniversiten’i Le Mans, hampianatra ao. Manampahaizana manokana amin’ny “science marine et biodiversité” izy ireo. Ny anton’izany dia mba hahafahan’ireo mpianatra eto an-toerana, izay tsy manana fahafahana andranto fianarana any ivelany, isitraka ny fampianarana amina taranja maro lafy, sy mitovy lenta amin’ny any ivelany. Hampianatra mahakasika ny ranomasina sy ny sisin-dranomasina (science marine et litorale), sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga ireo mpampianatra avy any Le Mans ireo. Ho fanamafisana lentan’ny fampianarana izay hatrany, dia manana fiaraha-miasa amina oniversite any ivelany koa ny eto Fenoarivo Atsinanana. Ohatra ny miaraka amin’ny oniversiten’i Liège, ao Belzika, izay miompana amin’ny fifehezana ny fiompiana trondro antsoina hoe “Masovoatoaka”, izay tsy hita raha tsy eto amin’ny Faritra atsinanan’i Madagasikara. Hisy fiaraha-miasa amina oniversite any Sina, Suisse, Etazonia, Maorisy, ary Frantsa ihany koa.
Rado Harivelo




