Songadim-baovaoSosialy
TRANO FITAHIRIZAM-BAKSINY NOTOKANANA ENY IVATO : Lehibe indrindra aty Afrika, afaka mitahiry vaksiny ho an’ny zaza 1 200 000
Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Ivato, ny Tranoben’ny fitaleavana misahana Fandaharanasa fandrindrana ny vaksiny sy ny trano fitehirizam-baksiny. Afaka mitahiry vaksiny ho ana zaza 1 200 000 io fotodrafitrasa goavana manaraka ny fenitra takin’ny Sampandraharaha iraisampirenena momba ny fahasalamana.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Ivato, ny Tranoben’ny fitaleavana misahana Fandaharanasa fandrindrana ny vaksiny sy ny trano fitehirizam-baksiny. Nitokana izany tao an-toerana ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina mivady, notronin’ireo solontenan’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana na OMS sy ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, miaraka amin’ireo mpikamban’ny governemanta vitsivitsy, notarihIn’ny minisitry ny Fahasalamana, Zely Randriamanantany. Afaka mitahiry vaksiny ho ana zaza 1 200 000 io fotodrafitrasa goavana manaraka ny fenitra takin’ny Sampandraharaha iraisampirenena momba ny fahasalamana (OMS) io. Tanjona amin’izao fanorenana fotodrafitrasa izao, ny fanitarana ny sehatra hahafaha-miahy ny fahasalaman’ny zaza. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny vaksiny » ny fitokanana. Isan’ireo fitahirizam-baksiny lehibe indrindra aty Afrika ity nijoro eto amintsika ity.
Natao laharam-pahamehana tokoa ny fanaovana fotodrafitrasa, indrindra ny fiarovana ny zaza sy ny ankizy satria teo aloha teo, mbola betsaka ny zaza matin’ny aretina noho ny tsy fahampian’ny fiarovana. Ho an’i Madagasikara manokana, tonga eto Madagasikara ireo iraka manokana avy amin’ny OMS, ny avy amin’ny Unicef, ary ny filoha avy amin’ny « Fondation Bill Gates », izay mivondrona ao anatin’ny « alliance GAVI », tonga nanatrika ny fitokanana.
Tafakatra 86 % ny tahan’ny fanaovam-baksiny
Fanamby lehibe apetraky ny Fitondram-panjakana malagasy, izay voarakitra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, ny fitsinjovana maha olona, fahasalamana ho an’ny rehetra, izay singa iray lehibe manan-danja ao anatin’izany. « Raha 35% tahan’ny fanaovam-bakisiny tamin’ny telo taona lasa. Noho ny ezaka natao, tafakatra 86 % izany ankehitriny. Ny maridrefy iraisampirenena, mba hahafaha-miaro tanteraka ny mponina ao anatin’ny firenena iray dia 90%. Noho izany, efa kely sisa ny tanjona », hoy ny Filoha nanamafy. Tao anatin’ny enim-bolana, tsy nisy trangana poliomielita intsony teto Madagasikara. Dingana lehibe izany ary mila tohizina hatrany ny fandaharanasa anaovam-baksiny ireo zaza amin’ny taona sy fe-potoana tokony hanaovana izany ary manerana ny Nosy.
Ny 89% toerana manerana Nosy efa nampitaovana « réfrigérateur solaire », raha 31% monja telo taona lasa izay. Amin’ny faran’ny taona ho avy izao, ny toerana rehetra mitahiry ny vakisiny dia hahazo ny « réfrigérateur solaire » avokoa. Tanjona tratrarina, raha mametraka izao toerana izao isika eto Antananarivo, dia ny Faritra 24 dia hametrahana toerana lehibe fitehirizana vaksiny ary ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka izany isika ankehitriny, izay ao anatin’ny tetikasa PPSB na ny « Préparation au pandémie renforcement des secteurs sociaux de base ». Ho fanamorana fanatontosana ny asan’ireo tomponandraikitra amin’ireo toerana saro-dalana amin’ny fanaovam-baksiny, dia misy moto tsy mataho-dalana, miisa 153 ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ahafahan’izy ireo midina eny ifotony manao vaksiny sy manatona ireo olona lavitry ny toeram-pitsaboana.
Rado Harivelo




