Songadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA ANGOVO AZO HAVAOZINA: Notokanana ny « Parc solaire » ao Ehoala, olona 80.000 no misitraka
Tanjon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana, ny hisitrahan’ny vahoaka manontolo, manerana ny Nosy, herinaratra. Tafiditra amin’ny fanatrarana izany tanjona izany ny fivadihana miandalana amin’ny famokarana angovo azo havaozina. Notokanan’ny Filoha ny “parc solaire”, lehibe tao Ehoala, ny sabotsy tolakandro teo. Nisy koa ny fanolorana fitaovana sy fanokanana fotodrafitrasa hafa…
Isan’ny tanjon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), ny isitrahan’ny vahoaka manontolo, manerana ny Nosy, herinaratra. Tafiditra amin’ny fanatrarana izany tanjona izany ny fivadihana miandalana amin’ny famokarana angovo azo havaozina. Ankoatra ny fanajana ny tontolo iainana, sy ny maha fampandrosoana lovain-jafy azy, dia ahafahana mampihena ny vesatry ny fandaniana ateraky ny famokarana herinaratra amin’ny milina mandeha amin’ny solika koa izany. Satria 1.200 miliara ariary isan-taona ny vola lany amin’izany. Ary ny 90%-n’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara dia mbola ilaina solika avokoa. Mifanojo indrindra amin’ny fanatrarana an’io tanjona io ny fitokanana ny “parc solaire”, lehibe tao Ehoala, Taolagnaro, ny sabotsy tolakandro teo. Fitokanana izay nataon’ny Filoha Andry Rajoelina. Endrika mivaingana amin’ny vokatsoa azo avy amin’ny fiaraha-miasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina koa izy ity, ka tafiditra ao ny fiaraha-miasa ny fanjakana, ny Jirama, sy ny QMM, izay efa hatramin’ny taona 2007, ho famatsiana herinaratra ny tanànan’i Taolagnaro.
Efa mihodina ny toby famokarana herinaratra vatsian’ity “parc solaire” ity. Sady mamatsy ny tanànan’i Taolagnaro izy, no mamatsy ny orinasa Ambatovy. Olona 80.000 no misitraka izany. Manodidina ny 15.000 ny isan’ireo « panneaux solaires » ireo, ary 8 mégawatts no vokariny. Mbola hisy fanintarana ka hiampy 6 mégawatts izany. Misy koa ny batterie “de stockage et de compensation”, ana 8,5 mégawatts, izay ahafahana mitahiry ny herinaratra raha sanatria maloka ny andro, na manorana, mba tsy ho tapaka ny jiro.
Fananganana “parc éolien”
Araka izany, ho ahena miandalana ny famokarana herinaratra amin’ny milina mandeha amin’ny solika eto Taolagnaro. Ankoatra ity “parc solaire ity mantsy”, dia efa mandeha ny tetikasa fananganana “parc éolien” eto Ehoala, Taolagnaro hatrany. 16 mégawatts ny ho azo amin’ireo « pylônes éoliennes » izay miisa 19 ho atsangana ao Ehoala ireo. Vinavinaina ho amin’ny fiandohan’ny taona 2025 izany “parc éolien” izany dia hihodina sy hamokatra herinaratra. Rehefa mihodina tsara izy io, miampy vokatry ny vokatr’ilay “parc solaire” izay mitotaly 14 mégawatts dia ho tonga 30 mégawatts ny herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina vokarina ao Ehoala. Afaka misitraka angovo azy manontolo izany ny ao Taolagnaro. Ny toby famokarana herinaratra ao Mandena, izay mihodina amin’ny solika, ary mamatsy an’i Taolagnaro sy QMM amin’izao mantsy, dia mamokatra 24 mégawatts. Ity “parc éolien” ao Ehoala, Taolagnaro ity no voalohany aorina eto Madagasikara. Mbola fiaraha-miasa amin’ny orinasa Rio Tinto – QMM ihany ity tetikasa ity. Efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana koa ny hanorina “parc éolien” iray hafa ao Antsiranana.
Fanokanana sy fanolorana fitaovana
Notokanana tao Taolagnaro koa ny Biraon’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy. Anjara asan’ity fitaleavam-paritra ity ny mampiakatra ny lentan’ny jono amin’iny Faritra iny, izay anisan’ny foto-piveloman’ny ankamaroan’ny mponina. Eo koa ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harenan-dranomasina tahaka ny langouste sy ny coraille noire izay vokatra anisan’ny mampalaza ny Faritra Anôsy.
Ankoatra izay, afa-pahasahiranana amin’ny resaka fitsaboana ny vahoakan’ny kaominina ambanivohitry Ranopiso noho ny fahazoana ny CSB II Manara-penitra napetraka ao an-toerana. Ahafahana mitsabo ny aretina rehetra ity toeram-pitsaboana ity, ahitana toerana fiterahana manaraka ny fenitra ao anatiny ka tsy hisy intsony ny vehivavy na zaza maty eo am-piterahana. Hita ao ihany koa ny toerana fanaovana vaksiny ary efa napetraka ao ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro hitahirizana azy ireo. Mitohy hatrany ny fametrahana fotodrafitrasa izay manakaiky vahoaka.
Taorian’ny fitokanana ny « parc solaire » tany Ehoala, dia namarana ny fitsidihan’ny Filoha ny Faritra Anosy ny fanolorana ny fitaovana fanadiovana tantely ho an’ny koperativa Soava Agri, izay mamokatra tantely. Izany dia tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa ODOF.
Arifomba ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity fitaovana ity. Mahazaka tantely hatrany amin’ny 600 litatra eo ny « bac de récupération » amin’io fitaovana io, hanombohan’ny fanodinana tantely. Ara-dalana ny fiasan’ny fitaovana ary manaraka ny dingam-pamokarana hatrany amin’ny fanaovana ny vokatra anaty tavoahangy.
Rado Harivelo




