PolitikaSongadim-baovao
KARAZAN-KELOKA VOARAIN’NY PAC – TAONA 2023: Fanaparam-pahefana sy kolikoly ary fanaovana hosoka no maro an’isa
Namoaka ny tatitry ny asa vitany tao anatin’ny taona 2023 ny teo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC), ny talata lasa teo, teny 67ha. Nivoitra tao anatin’izany ny volam-panjakana voahodinkodina tao anatin’ny taona, ary ireo sokajin’olona maro voarohirohy teny anivon’ity Fitsarana ity…
Vola mitentina 35,7 miliara Ariary ny volam-panjakana voahodinkodina tamin’ny taona 2023, raha ny tatitry ny taona 2023 navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC). Raha ireo karazan’olona voarohirohy tamin’ireo raharaha voarain’ny PAC, dia voalohany indrindra amin’izany ireo mambran’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, izay manana taha ambony indrindra 14,01%. Manaraka azy ao ny mpiantsehatra ara-pambolena sy fiompiana 10,07%, ireo Tale sy olona manana andraikitra amin’ny asam-panjakana 10,05%, ireo mpandraharaha, Tale sy mpitantana 07,03%. Mbola misy ireo karazan’olona voatonona amin’izany, saingy ireo voatanisa no manana ny taha ambony indrindra. Eo amin’ny karazan-keloka voarain’ny PAC indray, dia maro an’isa voalohany amin’izany ny fanamparam-pahefana, izay mitaha 27%, ny kolikoly 14,8%, hosoka sy fampiasana hosoka 13,02%, kolikoly mandray 12,8%, fanodinkodinam-bolam-panjakana 09,07%. Ankoatra ireo dia mbola maro, saingy ireo no manana taha ambony indrindra ihany koa. Raha ny dosie voarain’ny PAC Antananarivo dia miisa 316 tamin’ny taona 2023. Miisa 1 346 ireo olona voarohirohy, ka ny 1 110 nahazo fahafahana vonjy maika, raha 124 naiditra am-ponja, ary ny 112 eo ambany fanarahamason’ny Fitsarana. Eo amin’ny politikan’ny fampidinana ny tahan’ny voafonja vonjimaika any am-ponja na ny “Ratio Condamné/ Prévenu” dia mahatratra 72,28% ny an’ny PAC Antananarivo, ary 68,04% ny ao Mahajanga. Miisa 29 ny didy nalefa notanterahina teo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fanagiazana ireo fananana azo avy amn’ny tsy ara-dalàna, na ny “ARAI”, izay nahafahana nangeja kaonty banky miisa 64 sy nahazoana vola mitentina 6 231 597 466 Ariary, miampy 2 067 Euros. Totalin’ireo dosie voarain’ny PAC Antananarivo sy Mahajanga nandritra ny taona 2023 dia miisa 576, ary ny didy nivoaka 272. Lamandy mitentina 28,04 miliara Ariary, ary fanagejana 791 630 000 Ariary. Nitondra ny tatitra ny talata lasa teo ny Mpandrindra nasionalin’ny PAC, Ramatoa Rivonandrianina Rabarijohn. Marihina, fa miisa roa hatreto ny Fitsarana misahana ny kolikoly, dia ny eto Antananarivo, izay misahana ny eto amin’ny faritanin’Antananarivo sy Toamasina. Ny PAC Mahajanga, izay misahana ny faritanin’i Mahajanga sy Antsiranana, ary ny PAC ao Fianarantsoa izay andalam-pananganana ankehitriny, misahana ny ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa sy Toliara.
Stan R.




