PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FIFAMPIDINIHANA TAMIN’NY FMI : Manana fanantenana i Madagasikara ny hahazoana ny famatsiam-bola FRD sy ny FEC

Hitodi-doha anio,  any Washington ireo delegasionin’ny Tahirim-bola iraisampirenena FMI, taorian’ny fifandresen-dahatry ara-teknika teo amin’izy ireo sy ny Fanjakana malagasy. Nifarana omaly, 3 mey ny dian’izy ireo teto Madagasikara. Manam-panantenana lehibe i Madagasikara ny hanao pao-droa momba ny hahazoana ny famatsiam-bola FEC sy ny famatsiam-bola FRD ho an’ireo fandaharanasa roa.

Nifarana omaly 3 mey ny dian’ireo delegasionin’ny Tahirim-bola iraisampirenena (FMI) eto Madagasikara, taorian’ny dinika nifanaovany tamin’ny Fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Mpikamban’ny governemanta.. Nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison « fa nanao fifandresen-dahatra ara-teknika tamintsika ny Tahirim-bola iraisampirenena, ny amin’ny famatsiam-bola « Facilité Elargie de Crédit » na ny (FEC) sy ny « Facilité pour la Résilience et la Durabilité » na ny (FRD) ». Tsy zovina tamintsika fa i Madagasikara dia efa nanana fiaraha-miasa tamin’ny Tahirim-bola iraisampirenena, tamin’ny 2021 ary naharitra telo taona izany. Raha ny marina, tokony ho tapitra amin’ny volana jolay ho avy izao io fifanarahana niarahana tamin’ny FMI, saingy najanona izany. Antony iray, satria i Madagasikara nangataka ny FRD, izay fandaharanasa vaovao hanohana ny fahafaha-miatriky ny Firenena manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. I Madagasikara tafiditra ao anatin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ary nangataka ny hisitraka io « Facilité pour la Résilience et la Durabilité » na ny (FRD). Hatreo amin’ny vola voaangon’ny Tahirim-bola iraisampirenena ihany no azon’ny FMI homena. Tiana ny manamarika fa ny FRD dia tsy azo homena, raha tsy manana fandaharanasa mazava, ilay firenena, izay mihoatra ny 18 volana. Nanan-tsafidy, araka izany, i Madagasikara ny hangataka fanitarana na hanajanona ilay FEC teo aloha, ary miaraka amin’ny FEC vaovao mihitsy. Na izany aza, tsy very akory ny ezak’i Madagasikara momba ilay FEC teo aloha, raha ny fanampim-panazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.

Manana fanantenana ny hahazo 100%

Ny vola azo angatahintsika ho an’ny FEC, dia mahatratra hatrany amin’ny 312 tapitrisa dolara. Raha malemilemy ny fanovana apetraka eo amin’ny lafiny tontolo iainana, dia mety ho kely koa ny vola azo. Misy firenena, zara raha mahazo 20% no azony momba ny famatsiam-bola, ny hafa mahazo 30 na 50% mihitsy. Ho an’i Madagasikara, raha ny adihevitra izay natao, tao anatin’ny roa herinandro izay, dia manana fanantenana ny hahazo 100% ao anatin’ilay FRD. Raha ny tolotra fanavaozana, nentin’ny governemanta malagasy. Raha atotaly ny momba ireo fandaharanasa roa ireo, dia tombanana hahazo hatrany amin’ny 200% amin’ny famatsiam-bola i Madagasikara.

Tombanana ho 660 tapitrisa dolara ny vola mety ho azon’i Madagasikara ho an’ireo Fandaharanasa roa ireo. Ho an’ny FEC dia misy andry lehibe efatra, ny fahamarinan-toerana ara-bola sy ny fitantanam-bola, ny fitomboana ara-toekarena, ny fampiroboroboana ny maha-olona, ny fiahiana ara-sosialy ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Isan’ny tandrovana ireo, mandritra ny fiarahana amin’ny Tahirim-bola iraisampirenena momba io famatsiam-bola io. Ao anatin’ireo andry efatra ireo, dia misy tondro folo. Aorian’ny fivoahan’ny valiny eo anivon’ny Tahirim-bola iraisampirenena, dia tsy maintsy hisy ny fampiantsoana ny mpanao gazety, hanatontosana ny valandresaka mifandraika amin’izany.

Ho an’ny fandaharanasa FRD kosa indray, miisa dimy lehibe ny andry iarahana amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Isan’ireo nanatrika ny fotoana omaly, ny minisitry ny Tontolo iainana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, hanohana ny fahafaha-miatriky ny Firenena manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Andrasana, ny fidiran’ny paikady io, ao anatin’ny tetibola. Andrasana fatratra, ny fanamafisana ny fiatrehana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, sy ny fampidirana izay ady izay, any anatin’ny fampiasam-bolam-panjakana. Eo koa ny fahaiza-miatrika ireo zava-doza ara-boajanahary. Eo koa ny fanenana ny fiparitahan’ny entona izay misy fiantraikany. Eo koa ny fiarovana ny ala sy ny zavaboary ary ny fitaomana ny mpamatsy vola, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nitondra teny fisaorana ho an’ny Fanjakana malagasy ny iraka manokana,  solontenan’ny Tahirim-bola iraisampirenena, Fréderic Lambert, indrindra ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina izy ireo. Nanteriny fa tsy ny fitondrana malagasy ihany no nihaonan’izy ireo fa ireo mpisehatra isan-tokony, nahitana ny Antenimiera roa tonta, ny Fiarahamonim-pirenena, ary ny sehatra tsy miankina.

Rado Harivelo

Fermer