Fanadihadiana Manokana
VARIKA SY SOKATRA ANARIVONY TRATRA TAO THAILANDE: Tombanana ho tsy nivoaka tamina seranana mahazatra, olona 10 efa voasambotra
Mitohy hatrany ankehitriny ny fanadihadiana mahakasika ny tranga fanondranana an-tsokosoko sokatra miisa 1 076 sy varika miisa 48 tra-tehaka tany Thaïlande. 10 ny fitambaran’ireo olona efa voasambotra. Izany hoe, teratany vahiny enina migadra any Thaïlande ary olona 4 ao amin’ny fadintseranana anaovana fanadihadiana. Efa mandeha ankehitriny ny dingana amin’ny fampodiana ireo harena voajanahary ireo.
Nanaitra olom-pirenena maro ny tranga fanondranana an-tsokosoko harena voajanahary niparitaka tamin’ny fampahalalam-baovao sy tamin’ny tambazotran-tserasera fesiboky tamin’iny herinandro lasa iny. Maro, vokatr’izany, ireo olona naneho hevitra mahakasika io tranga io. Araka ny fanazavana nentin’ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine dia tamin’ny alinan’ny 01 mey lasa teo ny Ministera no nahazo fampandrenesana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana avy any Thaïlande. Fampandrenesana fa nahatratra tambazotra lehibe mpanondrana harena voajanahary avy aty Madagasikara izy ireo. Sokatra miisa 1 076 sy varika miisa 48 no tratehaka tamin’izany. Laharam-pahamehena ny hampodiana an-tanindrazana ireo harena sarobidy ireo.
Voasokajy ho biby lany tamingana sy tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ireo karazana sokatra sy varika tratra tany Thaïlande ireo. Mifamatotra amin’izany indrindra ny finoan’ny olona avy any ivelany milaza fa hahazoana tombontsoa sy fahasoavana ny fananana ireo biby ireo ka mandrisika ny fitrandrahana azy izany. Amin’ny maha biby efa ho lany tamingana azy anefa dia voaaron’ny fifanarahana CITES, na ny sokatra, na ny varika. Fifanarahana izay manambarana mazava fa tsy azo atao ny mivarotra sy manondrana an-tsokosoko ireo biby ireo.
Ankilany, nitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny fadintseranana malagasy Lainkana Zafivanona Ernest fa misy olona sy tambazotra mpanao trafikana biby sy zavamananaina ahazoana hery ankehitriny. Tsy eto Madagasikara irery ihany fa tranga iainana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Misy ny avy any Afrika, Asia, ary Amerika Latina. Efa tsikaritra hatramin’ny taon-dasa ny fisian’io tambazotra mpanondrana harena voajanahary antsokosoko io ka tamin’ny volana novambra 2023 dia efa nipetraka ny paikady hanatrarana izany. Niara-niasa ny fadintseranana malagasy sy ny vondrona mpanao fanadihadiana iraisam-pirenena. Vondrona izay nahitana ny fadintseranana sy ny tompon’andraiki-panjakana any Thaïlande, any Hong Kong, Australia, ny WJC, ary ny ONUDC. Nifanome tanana ny rehetra amin’ny famongorana io tambazotra io ka efa nisy olona maro voatily sy nanaovana fanadihadiana tamin’ny volana novambra sy desambra 2023. Efa nisy ihany koa ny fampiakarana ny tahan’ny fahamailoana ka napetraka ny paikady fanamafisana fanaraha-maso.
Nivoaka tamin’ny “zone non occupée”
Fanontaniana apetraky ny rehetra, araka izany, ny hoe ahoana no mbola nahatafavoaka ireo harena voajanahary ireo teto Madagasikara na dia misy hatrany aza ny fanaraha-maso atao eny amin’ireny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo ireny. Tsara aloha ny manamarika fa tsy fantatra mazava ny fotoana nivoahan’ireo biby ireo teto Madagasikara sy ny fotoana nahatongavany tany Thaïlande, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hatrany. Nandalo tany Indonesia ireo biby talohan’ny nigadonany tao Thaïlande saingy tsy mbola fantatra mazava ihany koa hoe tamin’ny fotoana toa ny ahoana. Mitohy hatrany, araka izany, ny fanadihadiana lalina mahakasika io tranga io. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana fa raha ny tombana misy ankehitriny dia ahiana ho nivoaka tamin’ny «zone non occupée» ireo harena voajanahary ireo. Izany hoe tsy nandalo seranam-piaramanidina na seranan-tsambo mahazatra fa navoaka tamina toerana tsy nisy fanaraha-maso. Noho izany dia ahiana ho nivoaka tamin’ny alalan’ny sambo teto Madagasikara izy ireo. Amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara mantsy dia mahatratra 5 000km ny halavan’ny sisin-dranomasina. Isan’ny Nosy lehibe rahateo ihany koa isika ka sarotsarotra ny fanaovana fanaraha-maso maharitra. Tsy afaka manao io fanaraha-maso maharitra io satria mitaky fampitaovana arak’olona sy ara-bola betsaka izany. Misy kosa anefa ny hetsika fanaraha-maso fatao matetika toy ny natao tany amin’iny Faritra Atsinanana iny nandritra ny iray volana sy tapany sy ny tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy. Ankoatra ireo, manazava ny ahiahy makasika ny fivoahan’ireo biby ireo tamin’ny alalan’ny fitaterana an-dranomasina ihany koa ny hoe tsy toy fitaterana an’habakabaka, izay misy “plan de vol” mialoha ny famoahana fahazoan-dalana hisidina, ny any amin’ny fitaterana an-dranomasina. Tonga eny amin’ny seranan-tsambo ny sambo iray vao mahazo fahazoan-dalana hiditra na hivoaka ary tsy fantatra mazava ny drafitry ny toerana iantsonany mialoha na aorian’io figadonany eo amin’ny seranana io. Izany hoe betsaka ny fomba ahafahany miantsona amin’ny toeran-kafa izay tsy misy fanaraha-maso ankoatra ny seranana mahazatra.
Vahiny 6 voasambotra, olona 4 arahi-maso
“Mampitandrina ireo tambazotra rehetra ireo fa tsy maintsy henjehin’ny Fanjakana izy ireo ary horavaina hatramin’ny fakany. Izany no tanjona sy ny ezaka efa ataon’ny Fanjakana malagasy amin’izao fotoana”, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana, hentitra raha naneho ny heviny. Vokatr’izany dia teratany vahiny miisa 06 no efa migadra any Thaïlande ankehitriny ary mbola mitohy ny fanadihadiana eto Madagasikara. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana ihany koa fa misy olona 04 efa arahi-maso amin’izao fotoana ary efa anaovana fanadihadiana. Misy olona hafa koa voatonona ao anatin’izao raharaha izao ary efa tadiavina izy ireo ankehitriny. Mbola mandeha hatrany ny fanadihadiana ka miandry am-pitoniana ny valin’izany isika. Heverina fa tsy maintsy hisy ireo olona hafa mbola ho tratra aoriana kely ao, hoy hatrany ny Minisitra.
Amin’ny maha fandikan-dalàna ny fitrandrahana sy ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary dia tsy maintsy mizaka ny sazy vokatr’izany ireo rehetra voasaringotra ao anatin’ity raharaha ity. Mihatra avy atrany ny paikady “tolerance zéro”. Fampidirana am-ponja sy fandoavana lamandy aman-tapitrisany maro no miandry ireo voaheloka. Ankoatra io, nohazavain’ny tompon’andraikitra ihany koa fa ny tsy fanaovana fanambarana teny anivon’ny fadintseranana dia mbola hahazoana sazy hafa. Ny fitsarana no manapaka io ary matetika sazy mavesabesatra hatrany, hoy ny tompon’andraikitra.
Marihina fa manao ny ezaka rehetra hamongorana ny tambazotra mpitrandraka harena voajanahary antsokosoko ny Fitondram-panjakana. Nandritra ity taona 2024 dia efa nahatratra 148 ireo tranga fitrandrahana harena voajanahary tsy ara-dalàna tratehaka teto amintsika, fitrandrahana antsokosoko sokatra miisa 319, ary gidro miisa 6. Olona miisa 207 kosa no efa voasambotra sy natolotra ny fitsarana. Manoloana io ady lehibe io indrindra dia nanao antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra ny Minisitra mba hiara-hisalahy, ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Fandraisan’andraikitra azo atao ny fampandrenesana ireo tompon’andraikitra raha toa ka mahatsikaritra tranga. Azo atao ny miantso maimaimpoana ny laharana maitso 955.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




