
PolitikaSongadim-baovao
FANAOVANA KOLIKOLY: Voaheloka higadra 3 taona sy 6 volana i Romy Voos Andrianarisoa
Nivoaka omaly ny fampitam-baovao avy amin’ny National Crime Agency (NCA) nanambara ny sazy azon-dRamatoa Romy Voos Andrianarisoa sy ilay teratany vahiny niara-niasa taminy, Philippe Tabuteau, izay voaheloka tamin’ny fanaovana kolikoly.
Telo taona sy tapany an-tranomaizina, io no sazin-dRamatoa Romy Voos Andrianarisoa nomen’ny Fitsarana Britanika azy taorian’ny nahavoaheloka azy ho nanao kolikoly. 2 Taona sy 3 volana kosa ho an’i Philippe Tabuteau, izay mpiara-miasa taminy akaiky.
Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny andron’ny 20 febroary 2024 no niparitaka ny vaovao fa nohelohin’ny Fitsarana britanika ho nanao kolikoly ity Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha ity, taorian’ny taorian’ny fanadihadiana miafina nataon’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava (NCA).
Voamarina fa tsy misy idiran’ny Filoha Rajoelina
Raha hiverenana fohy ny zava-nisy, Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa, Talen’ny Kabinetran’ny Filoha Rajoelina teo aloha, sy ny mpiara-miasa aminy Phillipe Tabuteau, dia voarohirohy, tamin’ny volana Aogositra 2023, rehefa nitaky vola be ho takalon’ny fanampiany amin’ny fiarahamiasa miaraka amin’ny orinasa Gemfield. Niaiky i Phillipe Tabuteau fa meloka, tamin’ny Septambra 2023.
Ny 10 Aogositra 2023 no nosamborin’ny manamboninahitra NCA tao amin’ny hotely iray any Victoria, London, izy mianadahy. Ny talata 20 febroary 2024 teo kosa no nohelohin’ny Fitsarana britanika i Romy Andrianarisoa.
Hatramin’ny fiandohan’ity raharaha ity, dia teren’ireo avy amin’ny fanoherana nampidirina ho isan’ny mpiray tendro tamin-dRamatoa Romy Voos Andrianarisoa ny Filoha Andry Rajoelina, amin’ny maha Talen’ny Kabinetrany an’itsy voalohany, tamin’izany fotoana izany. Efa nazava anefa ny fanazavan’ny avy amin’ny Fanjakana malagasy fa tsy iraka ofisialy no nataon’ity Talen’ny Kabinetra teo aloha ity tany Londres, fa anton-dia manokana. Izy rahateo tao anatin’ny fotoana niala sasatra. Ary vantany vao nipoaka ity raharaha ity dia nesorina avy hatrany teo amin’ny toerany i Romy Voos Andrianarisoa. Izao Didim-pitsarana nivoaka any Londres izao, noho izany, dia manaporofo ny maha tsy meloka ny Filoha. Tsy azo lavina ny hoe manaratsy endrika ny Firenena malagasy eo amin’ny sehatra iraisampirenena izao tranga izao, saingy ny fampidirana ny Filoha am-perinasa ao anatin’ny raharaha kosa tsy azo ekena, no sady tsy mitombina. Andrasana ny tohin’ny raharaha…
Ny Fanoratana.



