Songadim-baovaoSosialy

SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Handraisana fepetra ireo Polisy minia mihoa-pefy sy manampatra fahefana

Re sy niparitaka tany an-tambazotran-tserasera tato ho ato ny fitarainana mikasika ny Mpitandro filaminana miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Raha vao nahare izany ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izay miahy ny Polisim-pirenena miantsehatra eny an-toerana, dia nandray ny andraikiny avy hatrany, nidina ifotony, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, ny sabotsy lasa teo. Notsiahivin’ny Minisitra tamin’ireo Polisy miasa ao amin’ity sampan-draharaha ity tamin’izany, ny tokony hanaovan’izy ireo ny asany araka ny hitsiny sy ny lalàna, ary ny fitsipika mifehy ny asan’izy ireo. Nambarany, fa ny antom-pisian’ny Polisy dia ny hanampy vahoaka sy hitondra ny vahaolana amin’ireo mila izany, araka ny teny filamatra hoe « Polisy miaro sy manampy ny vahoaka ». Hisy ny fepetra horaisina amin’ireo izay minia mihoa-pefy, ary hanaovana fanadihadiana manokana izay tratra manao izany, raha ny notsindrian’ny Minisitra. Handray andraikitra manokana momba ireo Polisy tsy mahafa-po na ratsy fitondran-tena, araka izany, ny Minisitera. Tsy hisy famindram-po ho an’ireo izay tratra,  ary hampiharina aminy ny sazy henjana, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Ho an’ny olom-pirenena rehetra mandalo sy manan-draharaha eny amin’ny Seranam-piaramanidina kosa, dia nentanina manokana mba hanaraka ireo toromarika ho fandaminana sy hampirindra io sampan-draharaha io. Etsy an-danin’izany kosa, raha misy manana fanamarihana na mangataka fanazavana fanampiny momban’ny tolotra omen’ny sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena miasa eny amin’ny Seranam-piaramanidina, dia afaka miantso ny laharana 038 14 495 82.

Stan R.

Fermer