PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA ISAN-TAONA NY LISITRY NY MPIFIDY 2023 – 2024: Maherin’ny 569 000 ireo mpifidy vaovao voasoratra anarana

Mifarana tanteraka anio ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy 2023-2024 tanterahin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka ny tarehimarika voaray hatramin’ny omaly, dia mahatratra 11 613 000 ny isan’ny mpifidy voasoratra anaty lisitra. Izany hoe, mpifidy vaovao maherin’ny 569 000 no voasoratra anarana, raha mitaha ny tarehimarika tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ny taona 2023.

Manodidina ny 11 613 000 eo ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana nandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy taona 2023-2024, na ny “RALE”, araka ny loharanom-baovao voaray teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Nitombo 03% izany raha oharina ny tamin’ny isan’ny mpifidy voarafitra tao anaty Rejisi-pifidianana nasionaly taorian’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, izay niisa 11 043 836, izany hoe nitombo eo amin’ny 569 164 eo. Raha tsiahivina indray kosa ny “RALE” taona 2021-2022 dia nahatratra 10 749 934. Raha ampitahaina amin’ity 2023-2024 ity dia nisy fitomboany 863 066 mpifidy. Tamin’io fanavaozana tanteraka io hatrany, dia ny 79,23%-n’ny tanjona napetraka no tratra, raha ny hampitombo ho 3 000 000 mpifidy vaovao no nokendren’ny CENI tamin’izany, ka hahatrarana hatramin’ny 13 500 000. Azo lazaina fa manatona ny tanjona anefa, ny ezaka vitan’ny CENI hatreto, satria tsy mitsaha-mitombo ireo mpifidy voasoratra anarana, araka ireo antontanisa voalaza etsy ambony. Mihamaro araka izany, ireo olom-pirenena tafiditra anaty lisitry ny mpifidy, ary anisany manatombo amin’izany ireo olom-pirenena feno 18 taona vao nahazo ny karapanondrom-pirenena. Nanomboka ny 01 desambra 2023 no nanombohan’io fanavaozana isan-taona ny “RALE” io, izay mifarana anio 15 Mey 2024, araka ny lalàna fehizoro 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Anio tolakandro no fantatra, fa hihaona amin’ny mpikamban’ny CENI indray ireo solontenan’ny Kandidà Solombavambahoaka, miaraka amin’ny Fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny hanomezana ity tatitry ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ity.

Stan R.

Fermer