PolitikaSongadim-baovao

ANTSIRABE SY FIANARANTSOA: Fotodrafitrasa marolafy no natolotra ny Vahoaka

Feno ny fandaharam-potoan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mivady, nanomboka ny alarobia teo, ary nitohy hatramin’ny omaly, nitsidika sy nanolotra ireo fotodrafitrasa marolafy ho an’ny vahoaka tao Vakinankaratra sy Fianarantsoa. Toby famokarana herinaratra, toby miaramila, tranon’ny mpianatra, CSB II, tetezana, sy ny sisa, ampahany tamin’ireo fotodrafitrasa natolotra ireo, ankoatra ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro “HAZAVANA HO ANAO”.  

Taorian’Antsirabe sy Ambatofinandrahana ary Manandriana, tao Fianarantsoa, Renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony no namaranan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitsidiham-paritra nataony, omaly alakamisy. Tao amin’ny Gymnase Ambatomena no nanombohan’ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny, tamin’ny fomba ofisialy, ny fizarana jiro « Hazavana ho anao » ho an’ny isan-tokantrano tao Fianarantsoa. Tokantrano miisa 6842 no nisitraka ny « Hazavana ho anao ». Miroso hatrany ny tetikasa fizarana jiro, araka ny fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika.  « Satria anisan’ny fanamby napetraka, ny tsy maintsy hisitrahan’ny tokantrano malagasy tsirairay avy, fa hisitrahan’i Fianarantsoa iray manontolo, ny jiro sy hazavana. Ny hazavana ihany no hahafahantsika mandresy ny haizina, ka hitondra ny hazavana isaky ny tokantrano isika. Tena hafaliana lehibe no hifanatrehako aminareo. Satria fampanantenana nataoko taminareo izy ity, dia ny hoe : « mba tsy hampiasa labozia, pétrole fa manomboka androany « bye bye pétrole », labozia, fa miarahaba ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Fanamby lehibe io ary ny fizarana « Hazavana ho anao » isaky ny tokantrano, manomboka androany io, dia tsy mijanona raha tsy mazava tanteraka ny tokantrano rehetra », hoy ny Filoha nanantitrantitra.

Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka…

Betsaka ny fotodrafitrasa notanterahina tao Fianarantsoa. Isan’izany ny Tranoben’ny fitantanam-bola ao Fianarantsoa.  Hita sy tsapa fa sakana goavana ho an’ny mpandoa hetra sy ireo manan-draharaha mifandraika amin’ny departemantan’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny halaviran-tany sy ny fiparitahan’ireo birao isan-tsokajiny. Zava-dehibe ho an’ny Fitondram-panjakana, ny manakaiky vahoaka. Mijoro ankehitriny, ny Tranoben’ny Fitantanam-bola ao Fianarantsoa. Tsy mila mivezivezy intsony ireo manan-draharaha samihafa fa mivondrona ao avokoa ny tompon’andraikitra rehetra, ho an’izay ilana azy tsirairay avy. « Tsy mba mety reraka, ary tsy mety maka aina ny Filoham-pirenena. Satria entanin’ny fitiavana sy fitiavan-tanindrazana. Faninenina izao no tonga nanome « Hôtel de finances » izy, rehefa avy nanolotra tany Sambava, Toliara, Mahajanga, Antsiranana, Taolagnaro, dia io izy tonga eto hanolotra ny anjarantsika vahoaka », raha ny nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny teti-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Noporofoinao ny finiavanao hanatsara ny fitantanan-draharaham-panjakana aty amin’ny Faritra,  izay ilay atao hoe fitsinjaram-pahefana, raha ny fanampim-panazavany. Nanome toky ry zareo eo anivon’ny Minisitera sy ny fitantanam-bola fa tsy ho latsa-danja amin’ny hatsaran’ny trano ny fanatsarana ny fomba fiasa, indrindra ny fomba fandraisana ireo misitraka, ny minisitra nandritra ny lahateniny.  

Pierre M.

Fermer