PolitikaSongadim-baovao

FIANIANAN’NY FILOHAM-PIRENENA KAOMORIANINA : Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina

Araka ny tetiandro dia notontosaina omaly 26 Mey 2024 ny lanonam-pianianan’ny Filohan’ny Vondron’ireo Comores, Andriamatoa Azali Assoumani, tao Moroni. Vahiny nasaina manokana tamin’izany ny Filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, izay nanome voninahitra ny lanonana. Nisy moa ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha roa tonta nandritra izao dia izao.

Ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 22 mey teo no nankatoa ny fandraisana anjaran’ny delegasiona malagasy tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny lanonam-pianianan’ny Filohan’ny Vondron’ireo Comores, Andriamatoa Azali Assoumani. Omaly no notontosaina izay lanonana izay, tao amin’ny kianjan’ny omnisports de Malouzini. Andriamatoa Azali Assoumani  indray araka izany no hitondra an’i Kaomoro mandritra ny dimy taona manaraka. Lanonana manetriketrika no notanterahina tany an-toerana. Ary natrehin’ireo vahoaka Kaomorianina marobe. Vahiny nasaina manokana kosa ny Filoha  Andry Rajoelina mivady.

Tsiahivina fa firenena manana fifandraisana ara-tantara manokana i Madagasikara sy Kaomoro. Ary matotra ny fiarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Taorian’ny lanonana ofisialy dia nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny roa tonta, izay niresahana indrindra izay endriky ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta izay.  Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra fa amin’ny maha Nosy eto amin’ny Ranomasimbe Indiana. “Manoloana ny fiovaovan’ny toe-draharaha ara-jeopolitika maneran-tany dia zava-dehibe ny fitazonana sy fampiroboroboana ny firaisankina eo amin’ireo firenena afrikanina sy ireo nosy rahavavy, toy ny nataon’ny firenena Kaomorianina tamin’ny alalan’ny fanomezam-boninahitra ny lanonana fianihanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny 16 Desambra 2023”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny 22 Mey teo.

Lany  tamn’ny fifidianana demokratika indray, araka  izany, ny Filoha Kaomorianina. Ity farany izy  efa teo amin’ny fitantanana tamin’ny  fepotoam-piasana farany teo. Filoham-panjakana dimy aty Afrika, ary delegasiona  avy amin’ny minisitera maro no nanatrika izany. Isan’ireo tonga tany an-toerana ohatra ny Filohan’i Angola,  Filohan’i Guinée Bissau, ny Filoham-pirenen’i Madagasikara, Filohan’i Mozambika, ary ny Filoha lefitr’i Tanzania sy Burundi. Tany an-toerana kosa ny solontenan’ny Vondrona afrikana, ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana, ary ny Kaomision’ny Ranomasimbe indianina.

Mialohan’ny lanonana dia nisy ny fanarahamaso akaiky ny filaminana tany an-toerana, izay nanetsehana Mpitandro filaminana anarivony.

Fermer