PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA : Mpifidy miisa 11 631 156 andrasana handrotsa-bato rahampitso

Kihon-dalana lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny andron’ny 29 Mey rahampitso, izay hifidianana ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara handrafitra indray ny Antenimieram-pirenena ho an’ny dimy taona manaraka. Tomombana ny fikarakarana amin’ny ankapobeny, raha ny tatitry ny Ceni. Efa tonga any ifotony ihany koa ireo fitaovana sy kojakoja rehetra ilaina enti-manatanteraka izany fifidianana izany.

Fifidianana manakaiky vahoaka, ary iankinan’ny tohin’ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny andron’ny rahampitso 29 mey 2024, hanatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka. Araka ny voafaritry ny lalàna, dia mpanaramaso ny asan’ny mpanatanteraka no andraikitry ny Solombavambahoaka. Ary amin’ny maha fahefana mpanao lalàna azy dia ny Antenimieram-pirenena, amin’ny alalan’ireo Solombavambahoaka no mandinika ireo lalàna maro samihafa hampiharina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. 

 Araka ny tarehimarika voaray avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), niainga tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy farany teo, dia mahatratra 11 613 156 ireo mpifidy andrasana handrotsa-bato ho an’ny rahampitso. Izy ireo izay hitsinjara amina birao fandatsaham-bato miisa 28 124 manerana ireo Distrika 120 eran’i Madagasikara. Antenaina ny iakaran’ny taham-pandraisana anjara amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity satria azo ambara fa mandray anjara ao anatin’izany daholo ireo heverina fa Antoko sy mpikatroka politika avy amin’ny firehana marolafy. Azo antoka fa samy nandresy lahatra ny mpomba azy avokoa izy ireo handrotsa-bato nandritra ny 20 andron’ny fampielezan-kevitra izay nifarana omaly.

Toerana 163

Tsiahivina fa miisa 473 ireo kandidà nahazo fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa afaka nirotsa-kofidiana. Ny toerana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena miisa 163, araka ny fanapahana farany navoakan’ny fahefana mpanatanteraka. Marihina fa misy distrika sasany roa no toerana iadiavana ao aminy, ary misy iray no fidina. Izany dia miankina amin’ny habetsaky ny mponina sy ny sata ananan’ilay distrika. Ho an’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra ohatra, sy ny any Atsimondrano sy Avaradrano, dia saika toerana roa avokoa no iadiavana.

Tonga any ifotony ny fitaovana

Araka ny angom-baovao avy eo anivon’ny  Ceni, dia efa saika eny anivon’ny fari-piadidiam-pifidianana tsirairay avokoa ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Toy izany koa ny biletà tokana sy ireo antontan-taratasy saro-pady rehetra. Efa nohamafisin’ny Filohan’ny Ceni rahateo fa tsy maintsy ho tonga ara-potoana ireo fitaovana ireo.

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia nanokana laharana maitso ny Ceni, 034 30 810 01 mba hahafahan’ireo olom-pirenena mampilaza raha toa ka misy olana na tranga manahirana hita mialoha sy mandritra ny fifidianana. Ny teo anivon’ny Ceni rahateo efa nampilaza fa handray fepetra manoloana izay trangana tsy fanarahan-dalàna hita, na iza na iza, tompon’antoka amin’izany.

Tsara ho fantatra fa efa miantrana manerana ny distrika maromaro amin’izao fotoana ireo mpanaramaso fifidianana avy amin’ny SADC.

Fermer