PolitikaSongadim-baovao

FIRONAN’NY VOKA-PIFIDIANANA VONJIMAIKA: Tsy misy ahina ny hahazoana ny maro an’isa ho an’ ny IRMAR

Nizotra tao anatin’ny filaminana tamin’ny ankapobeny ny Fifidianana Solombavambahoaka notontosaina teto Madagasikara omaly, 29 Mey 2024. Afaka naneho ny safidiny ny olom-pirenena tsirairay. Ary omaly hariva ihany dia efa saika hita ny fironam-bokatra avy any amin’ireo distrika samihafa manerana ny Nosy.

Kihon-dalana lehibe ho an’ny fiainam-pirenena no natrehintsika omaly, dia ny fifidianana Solombavambahoaka. Fifidianana izay tsy mijanona fotsiny ihany amin’ny hoe fametrahana olona hisolontena sy hitondra ny fitarainan’ny vahoaka, fa anisan’ny lokan’ady lehibe ny fahazoana ny maro an’isa amin’ireo antoko na vondron’antoko politika mandray anjara amin’ny fifidianana, izay hahamarin-toerana na hanakorontana ny Fitondrana mijoro.

Tsy niandry ela fa ora vitsy monja taorian’ny fanisam-bato dia efa hita taratra ny fironan’ny voka-pifidianana nanerana ireo distrika maro izay efa nahazoana tatitra.  Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina manokana,  dia saika ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” sy ny Vovonan’ny mpanohitra “Firaisankina” no tena manjakazaka. Tery amin’ny ankapobeny ny elanelam-bato, ary sarotra, na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany ny hahazoana poa-droa. Ho an’ny eny amin’ny Distrikan’Atsimondrano manokana, dia ny Kandidà natolotry ny IRMAR, Andry Ratsivahiny no mitarika vonjimaika tao amin’ny Kaominina Ambalavao sy Soavina, raha toa ka ny mpifanandrina aminy no mahazo vahana amin’ny toerana hafa. Mitarika vonjimaika ihany koa ireo Kandidà IRMAR ao Besalampy,  Sylvie Liva Gervais, Ravoniarisoa Marlette ao Ikongo, Andrianasolo Nadina ao Manakara, Imbiki Herilaza ao Sainte Marie, Tolia Bernard ao Tsihombe, Razafinjato Aurélie Marie Augustin ao Vohibato, ary Ravelonasy Barthelemy Samuel ao Brickaville.

Tsara tsindriana fa mbola ampaham-bokatra ihany no nahazoana an’ireo fa tsy mbola vokatra feno sy ofisialy akory. Na izany aza, efa ahitana taratra ny fironana ankapobeny izany. Raha ny vokatra hatramin’ny omaly no asian-teny, dia mbola mipetraka ny herijika hahazoan’ny IRMAR ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, na dia eo aza ny heverina fa tanjaky ny mpanohitra. Tsiahivina koa fa ny IRMAR irery ihany ny Vovonana nanana kandidà depiote nanerana ireo Distrika 120. Midika izany fa ambany kokoa ny tombana hahazoan’ny vovonan’ny mpanohitra izany maro an’isa izany, noho ireo kandidàn’izy ireo tsy mahenika ny distrika rehetra. Andrasana ny tohin’ny fironan’ny vokatra. Raha ny fanazavan’ny Ceni dia manana dimy andro ny SRMV hikirakirana ireo vokatra azony, ary raisin’ny aty amin’ny Ceni Foibe indray avy eo.

Ny Fanoratana.

Fermer