PolitikaSongadim-baovao

KANDIDA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Hijoro hatramin’ny farany hiaro ny safidin’ny Vahoakan’i Faratsiho

Nanodidina ny 50% ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka ho an’ny tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho. Nisaotra ireo rehetra tonga nifidy sy nanatanteraka ny adidiny ny Kandidà laharana faharoa, Lalatiana Rakotondrazafy omaly, nandritra ny fandaharana manokana nataony, tao amin’ny onjampeo Free FM. Nandritra izany fandaharana izany ihany koa no nitondrany fanazavana mahakasika ireo resabe miely momba ny voka-pifidianana any amin’ny Distrikan’i Faratsiho. Ny mpanohitra izay miezaka manely tarehimarika any amin’ny tambazotra sosialy maneho fa mpandresy izy ireo, ary mitarika amin’ny elanelam-bato 3 000. “Izahay dia mifototra amin’ny fitantanana an-tsoratra teo am-pelatanana,… raha ara-kajy tsotra fotsiny dia hita fa tsy mitombina ny hisian’ny elanelam-bato 3 000 izany eo aminay sy ny kandidà laharana fahatelo”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy.

Nampahafantariny tao anatin’ny fandaharana nataony fa Kaominina efatra no nandresen’ny Kandidàn’ny mpanohitra, ary Kaominina dimy no nandreseny, araka ny tarehimarika tsy ofisialy niainga tamin’ny fitanana an-tsoratra. “Ny nandreseko dia kaominina dimy be mponina indrindra, ahitana an’i Miandrarivo, Faratsiho, Ambohiborona, Antsapanimahazo, Valabetokana. Andranomiady sy Faravohitra izay kely mpifidy indrindra no nandreseny. Ny be mpifidy nandreseny dia tao Vinaninony, ary ny iray dia Ramainandro. Tsy mitombina mihitsy izany raha ara-kajy ny hisian’ny elanelam-bato 3 000”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy. Iniana atao hanakorontanana ny saim-bahoaka ny serasera toy ireny, hoy ny fanazavana. “Izaho Lalatiana Rakotondrazafy izay nomenareo vato maro an’isa, dia hijoro hiaro ny safidin’i Faratsiho. Tsy azoko ekena ny olona manao manipulation. Na manodinkodina resaka sy vato dia milaza fa lany. Azo hamarinina ny tarehimarika any amin’ny SRMV na amin’ny alalan’ireo PV fa tsy tokony hanao amin’ny fomba jiolahim-boto ny fahalaniana”, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.

Fandikan-dalàna maro

Ankoatra izay, nilaza ny Kandidà Lalatiana Rakotondrazafy fa manana porofo an-tsoratra maro be sy fijoroana vavolombelona maro avy amin’ireo  mpifidy, delege, seko fokontany, sy olona nanatri-maso, mahakasika ireo tsy fanarahan-dalàna maro nataon’ny Kandidà Mpanohitra tany an-toerana. Voalohany indrindra amin’izany ny fanambazana vola, ary fizarana kafe sy siramamy izay olona handeha handrotsa-bato, nandritra ny andron’ny fifidianana. Nohamafisiny fa tsy maintsy entina eo anatrehan’ny SRMV sy ny Ceni ary ny HCC izany tranga izany. Ankoatra izay, nisy ihany koa bileta efa azon’ny ekipan’ny fanoherana mialohan’ny fotoana izay nasiana marika an’ny kandidà laharana fahatelo. Ary fahatelo ny tsy naha ara-dalàna ny fitanana an-tsoratra (PV), fa avy hatrany dia nosoniavin’ny delegen’ny Kandidà laharana faha-3 avokoa kanefa tokony ho antsapaka ny fanaovana Sonia an’izany. Manampy ireo voalaza ireo, dia ny fisian’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana izay sady delegen’ny kandidà. “Ny marina tsy maintsy mandresy. Isika tsy hanao barofo. Anga any anaty facebook no famoahana voka-pifidianana? Ny HCC ihany no mamoaka vokatra ofisialy. Izahay afaka manaporofo fa nisy halabato”, hoy ny fanazavana.

Anisan’ny nitondran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy fanamarihana manokana moa ny hoe rehefa metimety amin’ny fanoherana ny voka-pifidianana dia lazaina fa ara-dalàna izany, fa kosa rehefa ny avy amin’ny fitondrana no mitarika sy mahazo vato dia lazaina fa nisy halabato. Haratsiam-panahy izany, hoy izy. Ny tenany izay niantso ny vahoakan’i Faratsiho mba ho mailo hatrany.

Fermer