PolitikaSongadim-baovao

TATITRY NY SADC – OIF – VONDRONA AFRIKANINA: Nilamina ny fifidianana tamin’ny ankapobeny…

Tatitra savaranonandro no nataon’ireo Mpanaramaso fifidianana iraisampirenena omaly, nahitana ny SADC, OIF, ary ny avy amin’ny Vondrona Afrikanina. Niara-niombom-peo izy ireo ny amin’ny nanatanterahan’i Madagasikara fifidianana tao anatin’ny filaminana sy ny fitoniana.

Isan’ireo vondrona iraisampirenena namaly ny antso nataon’ny Governemanta malagasy amin’ny hanatanterahana asa fanarahamaso fifidianana teto amintsika ny SADC, ny OIF ary ny Vondrona Afrikanina. Nanao izany asa izany izy ireo tato anatin’ny andro vitsivitsy, indrindra nandritra ny andron’ny fifidianana Solombavambahoaka, ny 29 mey 2024 teo. Omaly, araka izany, no nanao ny tatitra voalohany ireto mpanara-maso fifidianana ireto, izay nanambaran’izy ireo ny filaminana sy ny fitoniana teto Madagasikara nandritra ny fifidianana. Ho an’ny SADC manokana dia betsaka ireo teboka miabo notanisana raha mahakasika an’iny fifidianana iny manokana, isan’izany ny fampanjakana ny fahalalahana maneho teny anivon’ny haino aman-jery, ny fanabeazana ara-pifidianana ataon’ny Ceni, ary ny fampandraisana anjara ireo olona manana olana ara-pahitana.

Tetsy ankilany, tolo-kevitra napetrak’ ireo mpanara-maso fifidianana ireto ny tokony hanoloran’ny parlemantera tolo-dalàna hampirisihana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fiainana ara-politika sy ny fifidianana. Anisan’ny tsapa tamin’ny fifidianana Solombavambahoka teo mantsy izany, araka ny fanamarihana nentin’izy ireo.

 Mitory raha manana olana fa tsy manakorontana

Ankoatra izay, tsy fahatomombanana isan-karazany no hita nandritra ny fifidianana. Isan’izany ohatra ny fahataran’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato, lisi-pifidianana tsy afaka nojerena teo ivelan’ny fandatsaham-bato, sy ny sisa. Amin’izao fotoana moa, izay vanim-potoana aorian’ny fifidianana, dia tsy vitsy ireo kandidà milaza ho manana olana sy nahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna nandritra ny andron’ny fifidianana. Raha tsy hilaza afatsy ny Kandidà Lalatiana Rakotondrazafy izay nitory ny voalaza fa halatra sy fandikan-dalàna nataon’ny mpifanandrina aminy. Araka ny fantatra omaly dia efa tafapetraka eny amin’ny biraon’ny SRMV, ary hitohy hatramin’ny fitoriana aty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izany.

Eo anatrehan’izany, notsindrian’ny solontenan’ny mpanara-maso fifidianana avy amin’ny Vondrona afrikanina fa tokony ho amin’ny lalana araka ny lalàna ihany no andehanana raha toa ka manana olana tamin’ny fifidianana fa tsy midina andalambe.

Ny Fanoratana.

Fermer