PolitikaSongadim-baovao

FIKAMBANAN’NY ZANAKA AM-PIELEZANA FARATSIHO : Manohitra ny hala-bato tamin’ny fifidianana, miandrandra fampandrosoana ho an’i Faratsiho

Manao sesilany ankehitriny ireo fanehoan-kevitra avy any amin’ny Distrikan’i Faratsiho manohana ny hivoahan’ny voka-pifidianana marina, mifanaraka amin’ny zava-misy, ary manome lanja ny safidim-bahoaka.  Ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’i Faratsiho indray no nanao fanambarana omaly, izay nanamafy fa fotoana izao hahazoan’i Faratsiho fampandrosoana.

Manohana tsy misy fepetra an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, kandidà nofidina ho Solombavambahoaka tao Faratsiho, ary manameloka ny hala-bato sy ny hosoka niseho nandritra ny fifidianana, ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’i Faratsiho, mandala ny marina, sy ny ara-dalàna, ary miaro ny tena safidin’ny vahoaka marina. “Mankahery azy hijoro hatramin’ny farany, ary hanao ny fomba rehetra araka ny lalàna mba hampivoaka ny marina momba ny zava-nisy marina tany Faratsiho”, hoy ny fanambaran’izy ireo.

Nambaran’ireto Zanaka am-pielezana ireto fa mila fampandrosoana ny distrikan’i Faratsiho. “Tsy olona efa naloam-bahoaka indimy nisesy no lasa ho tiam-bahoaka tampoka indray, ary manao amboletra nangala-bato, ka nahazo isam-bato sy mitarika amin’ny voka-pifidianana indray”, hoy Rakotovahoaka Lova, Mpitondra tenin’ny zanak’ampielezana Faratsiho. Efa manantena fiovana mahery vaika ny vahoakan’i Faratsiho, ka resy lahatra tamin’ny firotsahan-kofidian-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay efa niasa rahateo, nanova ny zavatra iainan’ny mponina ao Faratsiho tao anatin’ny fotoana fohy monja, ary azo antoka fa tena hampandroso ny distrika iray manontolo ao anatin’ny dimy taona, hoy hatrany ny fanambarana.

Fitsarana ara-drariny

Ankoatra izay, nolazain’izy ireo tao anatin’ny fanambarana fa tsy olona afaka hitondra ny feon’ny vahoaka sy hitondra fivoarana ao Faratsiho mihitsy ny olona mpangalatra tanin’olona,  mpangalatra ny ombin’ny tantsaha, mpanambaka vahoaka amin’ny resaka fanapahana hazo, am-polo taonany maro. Ary tsy nanao na inona na inona tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho. Tsy azo inoana mihitsy, hoy izy, raha izy no hosafidin’ny vahoaka. Hatreto, tsy mbola voavalin’ilay kandidàn’ny mpanohitra misora-tena ho mpandresy, mihitsy ny resaka halabato, sy ny kolikoly izay nataony nandritra ny fifidianana . Efa naloto hatrizay ity kandidà ity. Ary tsy taratry ny tena safidim-bahoaka marina ny valim-pifidianana tereny hisy ao Faratsiho. Niantso ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba hitsara ara-drariny, ary handinika ny porofo mari-pototra rehetra nalefa tamin’izy ireo, ireto zanaky ny distrika ireto. “Manantena fa tsy sanatria ho atsangana ho fomba fanao fotsiny eken’ny Fitsarana ka hampandresy ny hosoka sy ny kolikoly, mambotry vahoaka sy mandetika ny Firenena”, hoy hatrany Rakotovahoaka Lova, Mpitondra tenin’ny zanak’i Faratsiho.   

Fermer