PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA : Hivoaka rahampitso ny vokatra vonjimaika feno avy amin’ny Ceni

Hitodika eny amin’ny Biraon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny Fifidianana ny mason’ny mpanara-baovao ho an’ny rahampitso, izay andro voafaritra fa hamoahan’izy ireo ny voka-pifidianana vonjimaika, araka ny voafaritry ny didy aman-dalàna mamehy ny anjara andraikitr’izy ireo. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ihany anefa no mamoaka ny tena vokatra ofisialy farany.

 Nanomboka ny zoma teo no tsy namoaka ny fironam-bokatra tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka intsony ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Nambaran’izy ireo tamin’io zoma io fa maherin’ny 27 000 ireo biraom-pifidianana efa voakirakira tanteraka sy nankatoavina, ary latsaky ny 1 000 ireo sisa andalam-pikiarakirana. Niroso tamin’ny fanapahana mikasika ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni, izay handrasana rahampitso Talata 11 Jona amin’ny 10ora maraina. “Asaina hanatrika izany ireo kandidà tsy ankanavaka manerana ireo distrika 120”, hoy ny seraseran’ny Ceni. Marihina fa handeha amin’ny onjampeom-pirenena (RNM) sy ny Tekeviziona malagasy (TVM) ity fotoana rahampitso ity.

Tsara ho fantatra fa vokatra vonjimaika ihany no havoakan’ny Ceni fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy, miaraka amin’ireo Didim-pitsarana samihafa mahakasika ireo fitoriana manodidina ny fifidianana. Tamin’ny ankapobeny, na ireo Kandidà miara-dalana amin’ny fitondrana, na ireo avy amin’ny fanoherana dia saika nanao fitoriana avokoa manoloana ireo heveriny fa tsy fahatomombanana nandritra ny fifidianana.

Ny Fanoratana.

Fermer