PolitikaSongadim-baovao

RAFITRA MIADY AMIN’NY KOLIKOLY: Miroso ny dingana fitadiavana Tale jeneralin’ny Bianco vaovao

Mifarana amin’ity taona 2024 ity ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na ny Bianco. Nisy, araka izany, ny antso tolotr’asa nataon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI) tao anatin ‘ny 30 andro. Nifarana ny 07 Mey teo izany, ary niroso tamin’ny fijerena ireo antontan-taratasy voaray ny komity manokana (comité ad hoc) misahana ny fandraisana mpiasa, ahitana ny Filohan’ny CSI, solontenan’ny primatiora, solontenan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, solontenan’ny zandarimariam-pirenena, solontenan’ny polisim-pirenena, mpampianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo,  ary mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena. Niisa 33 ireo antontan-taratasy voaray, izay nahitana ny fandraisana anjaran’ny avy amin’ny administratera sivily, polisy, zandary, mpitsara, mpikamban’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, sehatra tsy miankina. Ary ny dimy tamin’izy ireo no vehivavy.

Taorian’ny fanamarinana samihafa nataon’ny komity, antontan-taratasy 5 no tsy maintsy nesorina noho ny tsy fanajana ny fenitra napetraka tamin’ny antso tolotr’asa. Tamin’ireo 28 nohazonina kosa, dia ny 8 no voantso hanao ny « entretien ».

Nanazava ny teo anivon’ny CSI fa izao fombafomba arahina amin’ny fitadiavana Tale jeneralin’ny Bianco izao dia isany iray amin’ireo antoka mampahaleo tena ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity. Raha tsiahivina, ny lalàna 2016-020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 dia nanambara fa ny Tale Jeneralin’ny Bianco dia tendrena, hiasa mandritra ny dimy taona tsy azo havaozina, amin’ny alalan’ny Didim-panjakana raisin’ny Filohan’ny Repoblika, avy amin’ireo kandidà telo aroson’ny komity manokana misahana ny fitadiavana mpiasa. 

Fermer