PolitikaSongadim-baovao

FILOHAN’NY CENI: Miantso ny mpisehatra rehetra hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy

Namoaka ny vokatra vonjimaika feno avy amin’izy ireo ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly, teny Alarobia. Notsindrian’ny Filohan’ny Ceni tao anatin’ny lahateniny fa vonjimaika ihany ireny natolotra ireny fa ny avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tena vokatra ofisialy. Na izany aza, nahafahana namaritra ny fironana ankapobeny ny voka-pifidianana ny tarehimarika omaly.

Nanodidina ny 48.03% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy manerana ny nosy (vokatra vonjimaika), nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka notanterahina teto amintsika ny 29 Mey 2024 teo, araka ny tatitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Ny distrikan’Ambovombe Androy no nahitana ny taha ambony indrindra, manome ny salanisa 89,05%. Ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tao Mahajanga I kosa no ambany indrindra, manome 24,92%. Raha ampitahaina tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka ny taona 2019, dia nahitana fiakarana io taham-pandraisana anjara io, satria 43, 08% izany, raha tsiahivina.

Nanamarika ny lanonana famoahana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika omaly ny lahatenin’ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo izay nanasongadinany ireo ezaka sy fanatsarana nirosoan’ny Ceni tao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana. Isan’ireny ny fanofanana manontolo ireo mpikambana rehetra teny anivon’ny biraom-pifidianana raha toa ka fanofanana amin’ny ampahany no natao teo aloha. Teo koa ny fampiasana toeram-pitokanana na “isoloirs” manaja ny fenitry ny mangarahara. Ary koa ny fampiasana “tablette” sy ny “smartphone” nanafainganana ny famoahana ny fironam-bokatra.

Maro an’isa

Raha mahakasika ny vokatra notaterin’ny Ceni omaly kosa, dia tsikaritra ny mbola hahazoan’ny Solombavambahoaka avy amin’ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny IRMAR irery rahateo no hany Vondron’antoko nahavita nanolotra kandidà nanerana an’ireo fari-piadidim-pifidianana rehetra nanerana ny Nosy. Ankoatra ny avy amin’ny fanoherana, dia tsy vitsy ihany koa ireo kandidà avy amin’ny tsy miankina no nitarika tany amin’ny distrika sasantsasany.

Omaly, tonga maro teny amin’ny foiben-toeran’ny Ceni ireo Filohan’ny Andrim-panjakana, ireo solotenam-panjakana, ireo kandida sy ny antoko ary ireo vondron’antoko, ireo firaisamonimpirenena, ary ireo mpiara-miombona antoka vahiny.

Nomarihin’ny Filohan’ny Ceni hatrany tao anatin’ny lahateniny fa vokatra vonjimaika no navoakan’ny Ceni, ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana kosa no rafitra mahefa hamoaka ny vokatra ofisialy. Niantso ny rehetra mba ho tony eo am-piandrasana ny vokatra ofisialy, noho izany, ny tenany.

Fermer