PolitikaSongadim-baovao

ANDRY RAJOELINA – FANOKAFANA NY FAHA-60 TAON’NY CNUCED: Nanao antso hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisampirenena ho an’ny Firenena tena marefo

Nomen-kaja manokana i Madagasikara nandritra ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny CNUCED notanterahina tao Genève omaly. Nanao antso avo ny Filoha Andry Rajoelina, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, hisian’ny hoavy ara-drariny sy maharitra ho an’ny rehetra, indrindra ireo Firenena tena marefo. Nankasitrahany nandritra ny lahateny nataony ny fanomezana sehatra tahaka ity fihaonambe ity, mba hahafahan’ireo Firenena toa an’i Madagasikara manoritra lalana vaovao mitondra mankany amin’ny fampandrosoana lovain-jafy manoloana ireo fiovaovana misy maneran-tany.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny CNUCED na « Conférence des Nations Unies sur le commerce et le développement » tao amin’ny Palais des Nations – Genève Suisse. Nialoha ny fanombohan’ny fotoana,  noraisin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio Guterres teo am-pahatongavana ny « Palais des Nations » ny Filoha Andry Rajoelina, izay Filoham-pirenena nasaina manokana hanatrika ity fankalazana ity.  Taorian’izay, niditra tao amin’ny efitrano fivoriana ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio Guterres sy ny Sekretera Jeneralin’ny CNUCED, Rebeca Grynspan ary ireo olo-manan-kaja nasaina manokana nahitana ny Mpanolotsaina federaly – Lehiben’ny sampana federaly momba ny toekarena sy ny fiofanana ary ny fikarohana ao Suisse Guy Parmelin, ny Filohan’ny Union des Comores, Azali Assoumani, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, ny Praiminisitr’i Timor-Leste, Kay Rala Xanana Gusmão. Nanokatra ny fandraisam-pitenenana tamin’ny lanonam-panokafana omaly, ny Sekretera Jeneralin’ny CNUCED, narahin’ny lahateny fanokafana nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana. « Miandrandra ny hanomezan’ireo mpizaika amin’izao fihaonambe izao ny fehin-kevitra hivoaka aorian’izao fivoriana manan-danja izao ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana », hoy izy.

Hisian’ny hoavy ara-drariny ho an’ny Firenena marefo…

Ny Filoha Andry Rajoelina kosa dia nijoro ho mpitondra ny tenin’ireo Firenena andalam-pandrosoana, izay nizaka ny vokatry ny krizy samihafa, toy ny krizy ara-pahasalamana, ny fiovaovan’ny toetrandro ary ireo ady samihafa. Manoloana ny zava-misy anefa, hoy izy, dia adidin’ireo mpitondra no mamadika ireo olana ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Nanao antso avo ny Filoha Andry Rajoelina, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, hisian’ny hoavy ara-drariny sy maharitra ho an’ny rehetra, indrindra ireo Firenena tena marefo. Nankasitrahany nandritra ny lahateny nataony ny fanomezana sehatra tahaka ity fihaonambe ity, mba hahafahan’ireo Firenena toa an’i Madagasikara manoritra lalana vaovao mitondra mankany amin’ny fampandrosoana lovain-jafy manoloana ireo fiovaovana misy maneran-tany.

« I Madagasikara manokana, nametraka paikady mifanaraka amin’ny zava-misy. Ny famoronana asa, ny fandraharahana, ny fananganana orinasa lehibe telo misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany, ny ODOF, izay nahafahana nametraka ozinina 57 manerana ny Nosy. Anisan’ireo tetikasa lehibe nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina ireo. Mitohy ny ezaka amin’izao 2024 izao », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Tanjona ny hanatrarana ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena faobe ho 4,5%, hihoatra lavitra amin’ny vina nofaritan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena tamin’ny febroary teo, izay mamaritra izany ho 3,8% ho an’i Afrika.

Vola 20 tapitrisa dolara ho an’ny CNUCED

Ny mpanolotsaina federaly – Lehiben’ny sampana federaly momba ny toekarena sy ny fiofanana ary ny fikarohana kosa, no nisolo tena ny Kaonfederasiona Suisse, izay mpampiantrano. Nasongadiny fa tsy tongatonga ny nisafidianana an’i Genève ho foiben’ny CNUCED nanomboka ny 30 desambra 1964 nijoroany satria i Genève no ambohipihaonan’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. I Suisse manokana dia manome lanja ny sehatry ny varotra. Porofon’izany, miantoka ny 40% amin’ny harinkarena faobeny ny varotra. Nisy koa ny fandefasana ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, Xi Jinping, izay nanao fanambarana ampahibemaso ny fanoloran’i Sina vola 20 tapitrisa dolara ho an’ny CNUCED ho fanampiana ireo Firenena andalam-pandrosoana anatin’ny 5 taona manaraka.  Ho an’ny Filohan’ny Nosy Kaomoro kosa, dia ny fankasitrahana ny CNUCED ny tenany, izay nanampy hatrany ireo Firenena marefo, indrindra ireo Nosy toa an’i Comores. Notsindriany rahateo fa nifanakaiky tamin’ny fotoana nahazoan’ireo Firenena afrikanina maro ny fahaleovan-tenany ny nijoroan’ny CNUCED ary teo anilan’ireo Firenena marefo hatrany ity rafitra eo anivon’ny Firenena mikambana ity.

Rado Harivelo

Fermer