PolitikaSongadim-baovao

FIVORIANA FAHA-60 TAON’NY CNUCED : Nizara ny politika ara-toekarena  mifototra amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Madagasikara

Miditra amin’ny andro faharoa  ny fivoriambe sy adihevitra entina hanamarihana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Cnuced na ny « ONU commerce et développement »,  izay tanterahina ao Genève, ao Suisse, omaly, tao amin’ny « Palais des Nations ». Fivoriana samihafa no notanterahina, izay niresahana lohahevitra maro toy ny fampiharana ny Politikan’ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria, ho fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ho antoky ny fampandrosoana. Eo koa ny firesahana momba ny fampiasana ny teknolojia ho fampivoarana ny maha olona sy izao tontolo izao, amin’ny ho avy. Anisany voaresaka koa ny fametrahana paikady hahafahana miatrika sahady ireo ambana eo amin’ny tontolon’ny toekarena. Mitarika izany fivoriana izany ny Sekretera jeneralin’ny Cnuced, Rebeca Grynspan.

Ho an’i Madagasikara, manamarika ny fahavononana ara-politika ananan’ny Filoha Andry Rajoelina hampandroso ny Firenena mifototra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria izao fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Cnuced izao. Amin’ny alalan’ny fihaonana iraisampirenena toy izao no entin’i Madagasikara mikaroka fiaraha-miasa matanjaka hanatanterahana ireo Politika ankapoben’ny fanjakana sy ny « Andry fototry ny fampandrosoana » mifototra amin’ny maha olona, ny indostria sy ny fampivelarana ny toekarena ary ny Fanjakana tsara tantana. Mpiara-miasa iraisampirenena voalohany afaka mifanampy amin’i Madagasikara amin’izany indrindra ny Cnuced. Ary tsy vao izao fa efa hatramin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara eo anivon’ny Cnuced, dia efa nisitraka fanohanana tamin’ny lafiny maro tamin’ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ity ny Firenena malagasy.

  Sehatra nanaovana adisisika…

Vokatra azon’i Madagasikara tamin’izao fihaonana izao ihany koa ny nahafahan’i Madagasikara nitondra ny feony sy nizarany ny politika ara-toekaren’i Madagasikara izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny indostria teo anivon’ny Cnuced. Sehatra avo azon’i Madagasikara nanaovana adisisika sy nanaovana  fandresen-dahatra ny Cnuced ho an’ny fanatsarana ny seha-pamokarana lavalina. I Madagasikara no anisany firenena nitarika ny hametrahana ny vovonan’ireo firenena mpamokatra lavanila. Hahafahana mifehy ny vidiny lavanila sy hiarovana ny tombontsoan’ireo mpisehatra amin’ny lavanila miainga any amin’ny mpamboly hatramin’ny mpanondrana ny fametrahana izany vovonona iraisampirenena ho an’ny firenena mpamokatra lavanila izany. 

Nisongadina nandritra ny fivorian’ny Cnuced koa fa Firenena manana ny Filoha Andry Rajoelina ho mpitarika nahavita nametraka politika ara-toekarena entina hampandrosoana an’i Madagasikara no sady politika ara-toekarena hahafahana miatrika ny ambana misy maneran-tany  i Madagasikara. Manamafy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena koa, araka izany, izao fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’i Cnuced izao. Mifarana anio amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Cnuced, izay nomarihina tamin’ny fivoriana sy adihevitra ataon’ireo Mpitondra fanjakana ambony, mpahay toekarena, fikambanana iraisampirenena samihafa.

Rado Harivelo

Fermer