PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PIFIDIANANA AO FARATSIHO: Tsy nanda ny fiampangana azy ny Kandidà Ramilison

 Nohenoina teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) omaly ny Kandidà roa tonta tao Faratsiho, ahitana ny an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy sy Ramilison Nomenjanahary. Ity farany izay voambara fa nanao karazana fandikan-dalàna manodidina ny fifidianana, ka antony nitorian’ny Kandidà Lalatiana Rakotondrazafy azy. Fitoriana izay niaraka tamina porofo sy antontan-taratasy samihafa ary fijoroana vavolombelona isan-karazany.

Nanodidina ny ora roa teo ho eo ny fotoam-pitsarana tetsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) omaly mahakasika ireo fitoriana miisa 28 napetraky ny Kandidà laharana faharoa tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, tamin’ny kandidà laharana fahatelo Ramilison Nomenjanahary. Iompanan’ireo fitoriana ireo ny resaka fividianana mpifidy, ny fanamboamboarana ny lisitry ny mpifidy, ny fanendrebirebena ny mpifidy amin’ny alalan’ny fizarana zavatra mandritra ny fotoam-pifidianana, ary indrindra ny fanapariahana bileta tokana efa nasiana marika mialoha, izay voararan’ny lalàna tanteraka.

Tsikaritra anefa nandritra ny fotoam-pitsarana omaly, fa raha toa ka miresaka lalàna ny mpitory, ny andaniny kosa miresaka fanenjehana manokana sy fanenjehana Fitondrana. Izany hoe, miresaka zavatra tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny lafiny lalàna. Azo ambara ho tsy nanana ventin-kevitra nandavana ireo fanenjehana azy mihitsy aza izy ireo. Mahakasika ilay raharaha fisiana bileta efa nasiana famantarana mialoha niparitaka, dia niaiky ny mpisolovavan’ingahy Ramily fa tena ny Solontenan’ny kandidà Ramilison sy ilay tomponandraikitra eo anivon’ny rantsamangaikan’ny Ceni tany an-toerana irery ihany no nanana ny lakile misy ireo kojakojam-pifidianana nampiasaina ny andron’ny 29 Mey. Marihina moa fa efa natao fanadihadiana koa io tomponandraikitra amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni io.   

Tsara tsindriana fa teboka isan-teboka mihitsy ny fomba niresahana an’ireo antonantony ireo, saingy tsy nisy voavaly mihitsy. “Ary tsy nanda ny fiampangana nataonay izy ireo, tahaka an’ilay lakile tany am-pelatanan’ny solontenan’ny kandidà Ramilison, tahaka ny herisetra izay nitranga”, hoy ny fanazavana, ary  “Rehefa niteny izahay hoe izy ireo no tomponantoka tamin’ny herisetra niseho tao Faratsiho, dia valiny dia hoe ianareo no tena tompon’ny herisetra eto Madagasikara”. 

Fanafoanana ny fifidianana

Nampahafantarin’ny Kandidà Lalatiana Rakotondrazafy teo am-pivoahana fa efa nisy didy fakan-tahaka na “jurisprudence” roa azo ampiharina amin’ity raharaha any Faratsiho ity. Isan’izany ny didin’ny fitsarana miady amin’ny Fanjakana tamin’ny 2019, izay naha kandidà an-Ramilison Nomenjanahary tamin’izany fotoana, ary nanamelohan’ny fitsarana azy. Ny “Jurisprudence” faharoa dia ny tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika farany teo, tamin’ny 2023, izay nanafoanan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), vokatra tamina Biraom-pifidianana maromaro an’ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko, rehefa voaporofo ny fandikan-dalàna, tahaka ny zava-misy amin’izao. Tamin’izany fotoana izany aza dia fijoroana vavolombelona nataon’olona fotsiny, dia ampy ho an’ny fitsarana nandraisana an’izay fanapahankevitra fanafoanana vato izay. “Ny anay anefa ankoatra ny fijoroana vavolombelona, dia nasiana fanazavana avy amin’ny vadintany, ary nasiana ny fitantanana an-tsoratry ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana, miaraka amin’ny horonantsary sy horonampeo manamarina izany rehetra izany”, hoy ny fanazavana..

Nisy koa fangatahana fanafoanana ny fifidianana ( à titre subsidiaire). Nambaran’ny Mpitory fa manana didy fakan-tahaka koa isika mifanaraka amin’izany, dia ny didy noraisin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana tamin’ny 10 janoary 2020, nahafoana ny fifidianana ben’ny tanàna tany Faratsiho.

Fahefam-panjakana ?

Anisan’ny nanakianan’ny mpanohitra ny Kandidà Lalatiana Rakotondrazafy ny tsy fanajana ny tsy fiandanian’ny tomponandraiki-panjakana ambony. “Izaho minisitra nametra-pialana, inona àry no tokony ho nataoko mihoatra ny hoe mametra-pialana mba hahazoan’ny sasany antoka fa tsy manana fahefana intsony ilay olona”, hoy izy nametra-panontaniana.

Ny Fanoratana.

Fermer