PolitikaSongadim-baovao

TETIKASA MIAMI TOAMASINA : Tanteraka ny fanamby, hampiroborobo ny sehatry ny Fizahantany

Tontosa ny sabotsy lasa teo ny Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’i Toamasina. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy,  ny Miami toamasina, na « Miray Hina Ary Mifankatia ». Tamina lanonana manetriketrika no nanatanterahana izany lanonam-pitokanana izany. Manara-penitra avokoa ireo fotodrafitrasa, tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany…

Nalaina nisaraka ny Filoha sy ny vahoakan’i Toamasina. Ary na dia efa alinandro aza dia nafana tokoa ny lanonana teo amin’ny kianja lehibe fanaovana fetin’i MIAMI. Isan’ireo nahaliana ny mpanatrika ny lanonana natao amin’ny alalan’ny « Jet d’eau musical ». Izy ity izay ho alefa isaky ny adin’iray, isan’andro manomboka amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 10 ora alina.  Manova ny endrik’i Toamasina ny MIAMI. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filohampirenena hanatsarana sy haha maoderina ny firenena izany. Tsy natao hanatsara ny endriky ny tanàna fotsiny, fa misy kajy ara-toekarena koa ny fananganana ny MIAMI. Raha ny fanazavan’ Andriamanohisoa Gérard, Sekereteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana (SNEVH), dia 1.000.000 isan-taona ny mpitsidika andrasana ao amin’i MIAMI, ary hahatratra 20 miliara hatramin’ny 40 miliara Ariary ny vola ampidiriny. Isitraka izany na ny tanànan’i Toamasina, na ireo mpandraharaha, na ireo mpitatitra, na ireo mpanao asa tanana, hatrany amin’ ireo mpamboly.

Ampiroborobo ny rojom-pihariana…

Ampiroboro sy hanamafy rojom-pihariana,  amin’ny sehatry ny fizahantany i MIAMI. « Ary entina ampiroboroboana izany bebe kokoa dia ho ampitomboina ny isa’ny sidina mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina », hoy ny Filoha Rajoelina. Ifanindran-dalana amin’ny fisokafan’ny sidina Antananarivo – Dubaï, izay ho ataon’ny Kaompania Emirates, manomboka ny 3 septambra ho avy izao izany. Sidina izay hampitombo betsaka ny isan’ireo mpizahatany vahiny ho avy eto Madagasikara. Tsy ho latsa-danja amin’izany koa ireo mpizahatany malagasy ho avy ao Toamasina noho izao tolotra vaovao izao.

Mizara telo ny tetikasa MIAMI. Ny tapany fahatelo izay ahitana fanaovana « Beach Games », tahaka ny « Beach Soccer » sy ny « Beach Volley », dia efa eo an-dalam-panamboarana.

Isan’ny tanjon’i MIAMI koa mantsy ny hanokana toerana ahafahana mikolo ny ara-batana sy ara-panahy, na ny “Bien être”. Izany indrindra no antony nanamboarana ny « Park MIAMI ». Misy zaridaina azo itsangantsanganan’ny mpianakavy, ny mpinamana sy ny mpifankatia ao. Toerana ahafahan’ny tsirairay maka aina. Misy toerana azo anaovana fampirantiana hosodoko sy asa-tanana samihafa izay antsoina hoe “Place Badamier”, ihany koa ao. Azo anaovana hetsika ara-kolontsaina hafa koa. Nandritra ny fitsidihana nataon’ny Filoha dia fampirantiana sary atao tanana sy hosodoko no tao. Nanome iray ny Filoha izy ireo, mba ho fahatsiarovana ity andro fitokanana ny tetikasa MIAMI ity.

Fitaovana raitra…

Ahitana toerana fanaovana fanatajahantena  koa ao amin’ny Park MIAMI. Misy ny « espace Workout », izay fanaovana fanabokonana hozatra an-kialamanjana. Fitaovana raitra no hita. Ary mpandraharaha malagasy no mitantanana azy. Mpanao taovy malagasy koa no nanamboatra ireo fitaovana ireo, izay tsy mena-mitaha amin’ireo vita avy any ivelany. 

Ankoatra ireo orinasa mpanao sakafo tahaka an’i Gastro Pizza, sy Extra Pizza, na ny Bogota. dia ireo mpivarotra sakafo sy zava-pisotro teo amin’ny « Bar Sachet », izay nanamorona ny sisin-dranomasin’i Toamasina no maro misitraka ireo toerana fivarotan-tsakafo ao MIAMI. Nahazo fampiofanana arakasa amin’ny resaka fanaovan-tsakafo, sy fitantanana toeram-pisakafoana matihanina ireo mpivarotra tao amin’ny « Bar Sachet » ireo. Tiana ny manamarika fa nizara izany haravoana izany tamin’izy ireo ny Filoha Rajoelina, sy ireo niara-dia aminy. Nahitana mpikambana anaty governemanta, olom-boafidy sy  olom-boatendry maro, ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Atsinanana sy ny tanànan’i Toamasina. Isan’ireo vahiny manan-kaja nanatrika ity lanonana ity  koa ny Kardinaly Tsarahazana Desiré Arsevekan’i Toamasina.

Rado Harivelo

Fermer