Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

FITRANDRAHANA AN-TSOKOSOKO ATAONA TAMBAZOTRA: Zana-tsokatra miisa 542 nisy nanary teny Mahitsy sy Sabotsy Namehana

Nirongatra tato ho ato ny fitrandrahana an-tsokosoko harena voajanahary. Tranga niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanariana zana-tsokatra mitotaly 542 teny amoron-dalana efa voafono harona plastika, teny Sabotsy Namehana sy tany Mahitsy. Heverina ho tambazotra iray ihany no nahavanin-doza, hoy ny Ministera…

Tranga roa tsy mahazatra firy no niseho teto Antananarivo tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Zana-tsokatra miisa 342 efa nofonosina harona plastika na sase no hitan’ireo zandary nanao fisafoana tao amin’ny fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana Antananarivo Avaradrano, tamin’ny zabotsy maraina vao mangiran-dratsy. Omaly indray, nanao fanambarana ihany koa ny vondrom-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo fa sokatra miisa 200 nofonosana harona plastika koa no hitan’ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimandray, kaominina Mahitsy, tamin’ny alahady 16 jona 2024.
Manoloana izany, fanambarana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ny hoe ahiana ho tambazotra iray ihany no nahavanona ireo loza ireo, arak any fanadihadiana efa mandeha ankehitriny. “Raha ny fahitana azy dia sokatra nokasaina haondrana izy ireto satria efa nisy fonony. Eo ampanaovana ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ireo mpianala avy ato amin’ny Ministera”, hoy hatrany ny fanazavana. Ankilany, efa naterina eny amin’ny ivontoerana fandraisana ireo sokatra voageja ireo biby ireo. Ny fitsirihana natao tamin’izy ireo no nahafantarana fa avy any amin’iny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana iny izy ireo satria any ny Faritra mbola ahitana ireo karazan-tsokatra ireo. Izany hoe avy any Beloha, Androy, Tsihombe, Itampolo sy Androka. Misy amin’ireo sokatra no avy any anaty valanjavaboary ary misy koa anefa ny avy ivelany.

Tambazotra lehibe mihitsy, araka izany, no mikasa hampiroborobo ny fanondranana sy fitrandrahana harena voajanahary eto amintsika. Vokatr’izany dia miantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny MEDD na dia izy ireo aza no mitarika ny hetsika amin’io ady io. Isan’ireo paikady hampiharina, ohatra, ny fanamafisana hatrany ny fampahafantarana ny lalàna amin’ireo vahoaka eny ifotony sy amin’ireo olom-boatendry. Tsy maintsy hampahafantarina ihany koa ny mpitatitra lakana, botry, sambo sy taksibrosy fa tsy azo atao ary voararan’ny lalàna ny fitanterana sokatra sy ireo karazanjavamananaina arovana hafa. Mahakasika ny sokatra manokana, nanazava ny tompon’andraikitra fa hohamafisina ny fampahafantarana fa voararan’ny lalàna ny fiompiana sokatra. Andraikitra efa nosahanina ihany koa ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny sokatra, ny fanentanana sy ny fanenjehana ireo mpanondrana an-tsokosoko. Vokany, hampitomboana hatrany ny fitsirihana atao eny amin’ny lalam-pirenena ka iarahana amin’ireo mpitandro filaminana ny fanatanterahana izany.

Tsiahivina fa nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana tany Toliara tamin’ny herinandro lasa teo dia efa nisy ny fivoriana niarahan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine sy ireo mpitandro filaminana tarihin’ny OMC any ifotony tamin’ny zoma lasa teo, nandinihana io tranga fitrandrahana harena voajanahary an-tsokosoko eto amintsika io. Tamin’izany no nametrahana ny “Task force” izay hiadiana amin’ny tambazotra ratsy. Nanara-maso ireo toerana rehetra fitazomana ny sokatra voageja ihany koa ny Ministera tamin’izany. Toa ny tao amin’ny “Village tortue Mangily”, ny Lavavolo Turtle Center LTC ao Itampolo ary ny “Centre Reniala”. Hotohizana izany amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy ary hisy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ireo ao amin’ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana amin’ny hifehezana ifotony ny fitrandrahana an-tsokosoko. «Ho entitra ihany koa ny sazy ho an’ireo voaporofo fa nandray anjara amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ireo sokatra ireo», hoy ny fampahafantaran’ny Ministera.

Sarobidy Sidonie.

Fermer