KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

FANKALAZANA NY FAHA-64 FAHALEOVANTENA : Hanomboka anio ka hatramin’ny 25 jona ny « Podium lehibe » eto an-drenivohitra

Efa tafiditra ato anatin’ ny  fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena isika. Manomboka anio ka hatramin’ny 26 jona no hisokatra ny  » Podium lehibe » eto an-drenivohitra manomboka amin’ny 5 ora sy sasany etsy Analakely, eo anoloan’ny Gara Soarano. Mpanakanto marobe amina karazana gadona samihafa no hanafana ny sehatra isan’andro. Nomarihin’ny Komity mpikarakara  fa maimaimpoana, tsy misy vidim-pidirana…

Efa tafiditra ato anatin’ ny  fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena isika. Manomboka anio ka hatramin’ny 25 jona no hisokatra ny  » Podium lehibe » eto an-drenivohitra. Etsy Analakely eo anoloan’ny Gara Soarano no hanatontosana izany ary artista maro no ho tonga hanafana ny lanonana isan-kariva manomboka amin’ny 5 ora sy sasany. Mpanakanto malaza marobe no hanafana ny sehatra ary isan’ireny ry Wada sy Youngs, Rebika, Dadilove, Iraimbilanja, Mr sayda sy artista malaza marobe samy manana ny ngadona mampalaza azy. Tsy handoavam-bola ary maimaimpoana tanteraka ho an’ny rehetra. Nambaran’i Youngs solontenan’ny mpanakanto fa « hiova kely tsy toy ny mahazatra no homen’ny mpanakanto fa tena mamimamy tokoa satria fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ». Nanasa ny vahoaka malagasy ny tenany ho tonga hanatrika io « Podium lehibe » io, izay manomboka anio.   Misy ny lamina tanterahina… 

Miara-miasa manatanteraka io « Podium lehibe » io mandritra ny fotoana fankalazana ny fetim-pirenena,  ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Polisim-pirenena. Nambaran’ny Commissaire Ostrom Whenss  » fa hisy ny lamina manokana notanterahina eo Analakely, izay iarahana amin’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo.  Misokatra daholo ny lalana eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ankoatra ny eo amin’ny Tana Confort na lalana Rabefiraisana midina mankeny amin’ny lalana Rainibetsimisaraka. Io lalana tapaka io no hanaovana ilay Podium. Ny ankoatra izay, dia misokatra ny lalana. Ny 25 jona miavaka kely, mikantona daholo ny Araben’ny fahaleovantena noho ny fisian’ny harendrina, manomboka amin’ny 4 ora folakandro. Ny lalana Rainibetsimisaraka mankany amin’ny Petite vitesse dia tery dia tery ny lalana. Foana ny fiantsonana mahazatra maro. Na izany aza, dia ny toerana manodidina ny podium no misy misokatra. Ny zava-pisotro misy alikaola. Manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, izay vao mahazo manokatra tsena izy ireo. Manatona ny varavarana faha-13 ireo mpivarotra. 

Tomefy mpitandro filaminana…  

Tsy handefitra ny mpitandro filaminana momba ny resaka fitandroana ny filaminana. Polisy maro  no hisahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana. Ireto farany izay nanome toky fa hanao ny ezaka rehetra, mba hanaovan’ny Malagasy rehetra fety am-pilaminana. Momba ny lafiny fahadiovana,   ho ampiana ny toerana fivalanan-drano sy ny toerana fanariam-pako. Momba ny alin’ny 25 jona kosa indray, ankoatra ny afomanga dia hampiavaka ny fotoana ny « Show drone », izay mbola tsy fahita hatramin’ izay. Eny Betongolo kosa indray, mitohy isan’andro ny kermesy lehibe ankoatra ireo artista kalaza izay handray anjara. Manomboka amin’ny 4 ora hariva avokoa ireo hetsika ara-javakanto eny an-toerana.

Rado Harivelo

Fermer