Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

MPITSARA NOVONOINA TAMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA  : Efa nalevin’ireo olon-dratsy,   olona roa voasambotra hatreto

Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny mpitsara Mpisolo Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga. Nanomboka  ny 05 jona lasa teo no tsy hita popoka izy io, ary afakomaly alarobia, vao hita faty taty Antananarivo. Marihina fa efa nalevina izy no nompongarina. Olona roa no voarohirohy ary efa voasambotra hatreto. Mandeha ny fanadihadiana…

Vono olona miharo habibiana no nanjo ny Mpitsara mpisolo Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga. Araka ny angom-baovao, dia efa nanomboka ny alarobia 05 jona teo no tsy hita popoka izy io ary afakomaly  19 jona vao hita taty Antananarivo izy io. Ny tena nampalahelo, dia efa nalevin’ireo olon-dratsy izy io, no izao nompongarina izao ny fatiny. Efa mandeha ny fanadihadiana tanterahin’ny Polisy. Araka ny fanadihadiana, olona roa no voasaringotra amin’ity famonoana miharo habibiana ny mpitsara Mpisolo Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga ity. Raha ny loharanom-baovao voaray dia niakatra taty Antananarivo  ity Mpitsara ity nanaraka ireo voka- pifidianana nakarina taty amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Fantatra fa  hijery fiara hovidiana izy taorian’izay.  Nanomboka teo no tsy hita sy tsy nandrenesam-baovao intsony ny momba azy. Izy efa hita faty nisy namono sy nandevina ary nompongarina izao. Efa naterina eny amin’ny Tranom-patin’ny HJRA moa ny razana. Raha ny tsilian-tsofina, hoentina any Befotaka Nord, Faritra Sofia ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy, aorian’ny fizahana. 

Manameloka tanteraka ny Fitsarana…

Manoloana izao vono olona miharo habibiana izao, nanjo ny Mpitsara Mpisolo Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga izao,  dia nanao fanambarana tao amin’ny tambazotra ara-tsosialy Facebook, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Randriamanantenasoa  Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa miara-ory ary mirary fampiononana feno ho an’ny fianakavian’Itompokolahy. Nasongadina fa enjehin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny famonoana olona.  Noho izany, ny Fianakaviamben’ny Fitsarana, izay tarihin-dRamatoa Minisitra dia manameloka tanteraka ny famonoana ho faty ny mpiara-miasa amin’izy ireo.  Mihatra ho an’izay meloka, hoy ny fanambarana, ny lalàna ary mandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitsarana.

Pierre M.

Fermer