Songadim-baovao

FAMPANARAHAN-DALANA : Nomena fe-potoana hatramin’ny 21 septambra ireo fiara « WW »

Manoloana ireo fiara tsy ara-dalàna mitondra ny laharana « ww » na mitondra laharana avy any ivelany, ka mialokaloka amin’izany ao anatin’ny fotoana maharitra. Miantso ny tompon’izy ireo ny avy amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia omaly teny Alarobia, mba hanara-dalàna isorohana ireo asa ratsy sy ny karazana fandikan-dalàna…

Hanao hetsika manokana ny avy amin’ny DGSR, aorian’ny 21 septambra.

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ny avy amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, omaly teny Alarobia. Nambaran’ny Kly Rasambomanana Yvon Patrick Tale eo anivon’ny Foiben’ny fitsarana fiarakodia fa « tsy mitsaha-mitombo ny fiara mampiasa tsy ara-dalàna ny laharana « WW » na mitondra ny laharana vahiny avy any ivelany  noho ny tsy fahatomombanan’ny taratasin’ny fiara na ny tsy fisiany izany mihitsy, mba hialana amin’ny fanaovana « réception technique » na fitsirihina ara-teknika ilay fiara ka misy fiantraikany amin’ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany, ny fidiram-bolam-panjakana ary ny fitandroana filaminana ».  Raha ny fanazavana,  misy ireo mampiasa azy ireny hanaovana asan-jiolahy mihitsy.

Manoloana izany, nomena fe-potoana hatramin’ny 21 septambra izy ireo hikarakarana ny taratasin’ny fiara ho amin’ny ara-dalàna. Aorian’izay,   hisy ny hetsika manokana avy amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia iarahana amin’ny mpitandro filaminana, amin’ny fanamafisana ny fanenjehana ny fandikan-dalàna, momba ny fampiasana ny laharana tsy ara-dalana « WW » sy ny laharana avy any ivelany.

Nentanina, araka izany, ireo mampiasa larahana tsy ara-dalàna, mba hanatona ny Ivontoerana fitsarana fiarakodia akaiky azy indrindra sy ny « Centre de réception technique » eny By-Pass Alasora ho an’ny eto Antananarivo, mba hikarakara izany ary tsy hisaraka amin’ilay rosia rehefa mandeha.

 

Fandikan-dalàna samihafa…

 

Miseho amin’ny endrika isan-karazany ny fandikan-dalàna momba ny fampiasana laharana tsy ara-dalàna. Tafiditra ao ny  fiara “bonne occasion” efa manana laharana avy any ivelany, nefa miafina ao anatin’ny laharana « WW » na mampiasa « attestation provisoire de circuler » alaina amin’ny mpitandro filaminana, izay tsy manana fahefana hanome izany. Marihina fa ny fiara vaovao novidina na niditra garazy tamin’ny “ concessionaire” ihany no afaka mampiasa ny laharana « WW », izay ao anatin’ny 15 andro. Tsara, araka izany, raha maka dika mitovy ny « réception technique » any amin’ny mpivarotra fiara ny mpividy ireny fiara vaovao ireny mandra-piandry ny fivoahan’ny « carte grise » satria raha ny marina dia tokony ho efa natao « réception technique par type » izy ireo vao azo amidy.

Marobe ireo fiara mitondra ny laharana « WW » tsy ara-dalàna.

Ankoatra izay, ny fiara « bonne occasion » amidy na efa lafo, nefa mbola mivezivezy miaraka amin’ny « modele n°01 » lany daty iray volana. Misy koa fiara tokony hanana lanja mihoatra ny 3,5T, nefa manao hosoka mampihena lanja nialana ny « constatation avant dédouanement ». Fiara efa manana laharana malagasy, saingy mampiasa « WW » ary tsy manao fitsirihina ara-teknika. Hamafisina fa ny fanaovana « reception technique » eny anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina ahafaha-mahazo laharana eny amin’ny « centre immatriculateur » na ho an’ny fiara vaovao izany na ho an’ireo fiara efa niasa.

Tags
Fermer