PolitikaSongadim-baovao

FANKALAZANA NY 26 JONA : Nitombo 3770 ny hery Fiarovana sy Filaminana hiantsehatra amin’ny matso lehibe

Atao ao anatin’ny firavoravoana sy fitoniana tanteraka ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Monja Delphin, omaly tetsy amin’ny Kianjan’i Barea. Mahatratra 3770 ny hery Fiarovana sy Filaminana ary ny mpiantsehatra rehetra momba ny fandriampahalemana hanatanteraka ny matso lehibe eo amin’ny kianjan’i Barea ny 26 jona. Hiavaka ny lanonana satria hisy ny fampisehoana ireo fitaovana vaovaon’ny Tafika toy ny angidimby…

« Atao ao anatin’ny firavoravoana sy fitoniana tanteraka ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara », araka ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Monja Delphin, omaly tetsy amin’ny Kianjan’i Barea. Lanonana tsy misy tomika no tanjona ary miantso ny vahoaka hanaraka ny fandaminana ny mpitandro filaminana.  » Misy ny toromarika ary misy ny fepetra rehetra tsy maintsy arahina. Anatin’ny fitoniana tanteraka no hanatontosana izany. Nisy ny toromarika nomeny ny amin’ny fitandroana ny filaminana sy fahalemana, mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mifaly am-pitoniana », hoy izy. Nampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana miasa manerana ny Nosy mandritra ny  fankalazana ny niverenan’ny fahaleovatenan’i Madagasikara. Tafiditra amin’izany ny 25 jona, izay hanoloran’ny Filoham-pirenena afomanga etsy Anosy ho an’ny mponin’Antananarivo ary  ny fanatanterahana ny matso lehiben’ny Hery Fiarovana Filaminana sy ny mpisehatra rehetra amin’ny fahandriam-pahalemana ary ny “Grand podium national” ny 26 jona.

3770 ny hery Fiarovana Filaminana ary ny mpiantsehatra…

Mahatratra 3770 ny hery Fiarovana Filaminana ary ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fandriam-pahalemana hanatanteraka ny matso lehibe eo amin’ny kianjan’ny Barea ny 26 jona. Ampiseho ny maha izy azy  ny Hery Fiarovana sy Filaminana hiantsehatra  amin’ny matso lehibe manerana ny Faritra. Izy ireo no hiantoka manontolo ny fizotran’izany lanonana tontosaina rehetra izany. Ho an’ny matso lehibe, dia hisy ny angidimby vaovao hanampy ireo efa eo. Manentana ny olom-pirenena hampilaza avy hatrany ny mpitandro ny filaminana raha misy trangan-javatra mampiahiahy izy ireo. Efa misy ny lamina napetraka amin’ny fiarovana ny tobim-pamokarana herinaratra ary ny tobin-tsolika.

Andraisana fepetra ireo manakorontana…

Hentitra ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Monja Delphin, nanambara fa »andraisana fepetra avy hatrany ireo mikendry ny hanakorontana. Ireo izay manakorontana dia anisan’ireo tsy manaja ny vahoaka malagasy. Manimbazimba ireo Razambentsika nandatsaka ny rany mba hiverenan’ny fahaleovantena ». Ilaina, araka izany, ny fanajana ny toromarika rehetra omen’ny tomponandraikitra . Izany indrindra no nanentanan’ny Hery Fiarovana sy Filaminanana, izay eo ambany fiadidian’ny minisitry ny Foloalindahy, ny. Jly Sahivelo Monja Delphin, ny Contrôleur général de police, Rakotoarimanana Herilala, ny minisitra delegen’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka, ny hanajan’ny tsirairay izany.

Toromarika hentitra no nomena ny mpitandro filaminana isan’ambaratongany ny amin’ny tokony hanaovany tahaka ny anakandriamaso ny asa iantsorohany, mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mianoka ny fety am-pitoniana.

Hentitra ny mpitandro  filaminana amin’ny fisavana, hoy ny Jly Ravoavy Zafisambatra nitondra tenin’ny vondron-kery  EMMO, izay hiantsoroka ny fitandroana ny filaminana . Manentana ny vahoaka tsy hitondra zava-maranitra, tavoahangy vera ary “laser” izy ireo. Takina anatin’ny fepetra tokony hohajaina ny filaharana hiditra ao amin’ny kianjan’ny Barea. Mivoha amin’ny 6 ora maraina rahateo ny vavahady.

Rado Harivelo

Fermer