PolitikaSongadim-baovao

FAHA-64 TAONAN’NY FAHALEOVANTENA: Niantso ny firaisan-kinan’ny Malagasy ho an’ny fampandrosoana ny Filoha

Nisongadina tanteraka ny fankalazana ny faha-64 taon’ny fahaleovantena, notontosaina tetsy amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina omaly, 26 jona. Tontosa tao anatin’ny fitoniana sy fifaliana ny  fiatrehana ny matso, izay nankalazaina tamin’ny fomba mendrika. Fankalazana hamerina ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika tsirairay avy. Iray fo, hiray saina, hiray hina ny Malagasy rehetra hiaraka handroso sy hampandroso an’ity Nosy malalantsika ity, raha ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina…

“Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”.  Io no teny faneva nenti-nankalazana ny faha 64 taona niverenan’ny ny fahaleovantena sady nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Matso lehibe no nenti-nanamarihana izany, izay notanterahin’ireo Hery fiarovana sy Filaminana, teny amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina, omaly 26 jona. Nialoha ny niantombohan’ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy,  niarahaba ny vahoaka malagasy tratry ny Asaramanitra ny Filoha Andry Rajoelina. “Izao fankalazana izao, dia hamerina ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika tsirairay avy. Ny faniriako dia hiray fo, hiray saina, hiray hina ny Malagasy rehetra hiaraka handroso sy hampandroso an’ity Nosy malalantsika ity”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, omaly nanokatra ny fotoana.

Notsiahivina koa ny faha-64 taona nijoroan’ny Foloalindahy ny Filohan’ny Repoblika.  Tamin’ny alalan’ny vahoaka malagasy no niarahabany ny Foloalindahy malagasy. Manana anjara ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay indrindra no nisafidianana manokana ny teny faneva fankalazana ny 26 jona hoe : “Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”. Nanteriny fa ny Foloalindahy no tandroka aron’ny vozona, miaro ny vahoaka sy ny fananany. Matoky anareo ny vahoaka malagasy. Nisy, araka izany, ny karazana lokanady napetraky ny Filoha ho an’ny Foloalindahy malagasy, ny amin’ny fahavononana hanao ny matso sy hiaro ny fiandriananam-pirenena, ny Fanjakana mijoro ary hametraka ambony ny hasin’ny vahoaka malagasy.

Tsy manaiky ho zarazaraina…

Ny fampandrosoana ny Firenena dia ilaina tanterahina ao anatin’ny firaisan-tsaina sy fiombonam-po. Nahitsy ny Filoha Andry Rajoelina nanambara fa “tsy manaiky hozarazaraina isika fa hiara-hiroso sy hiara-hisalahy hampandroso ao anatin’ny vina, izay napetraka ho an’ny Nosy malalantsika ity”. Nanokatra ny fotoana ny mpitsoka mozikan’ny Tafika. Seho niavaka no niseho nandritra ny matso, Isan’ireny ny fampisehoana nataon’ireo Semipi na ny mpianatra avy ao amin’ny Sekoly Miaramilam-pirenena, tamin’ny alalan’ny “synchronisation japonaise”. Nanaraka azy teo, ny fampisehoana haiady nataon-dry zareo avy eo amin’ny Mpianatra ho zandary Ambositra. Nisongadina ny fampisehoana fahaiza-manao momba ny haiady nataon’ireo mpianatra ho zandary vavy. Tsy latsa-danja ny seho notontosain’ireo Polisy vavy tamin’ny fampiasana ireo basy.  

Mpitandro filaminana maherin’ny 3770 no nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny matso lehibe iny. Isan’ny nandray anjara, ny Polisy, ny Zandary, ny Tomponandraikitry ny Rano sy ny ala, ny Mpamonjy voina…Nampiavaka ny fotoana koa, ny fandraisana anjaran’ny angidimby vaovao nitondra ny sainam-pirenena sy ny  fiaramanidina kely Cessna, Ankoatra ny fanotronan’ny Filohan’ny Repoblika mivady, tomponandraiki-panjakana sivily sy miaramila maro no tonga nanotrona ny matso lehibe notanterahina tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina afakomaly. Isan’ny tazana teny an-toerana, ny masoivoho vahiny samihafa sy mpiara-miombona antoka vahiny miasa sy monina eto amintsika.

Rado Harivelo

Fermer