PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAM-PIRENENA VAOVAO: Maro an’isa ny IRMAR, nahazo toerana 84 amin’ny 163

Fantatra omaly avokoa ireo Depiote handrafitra indray ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Miisa 163 izy ireo, ary ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina – IRMAR” no manana ny maro an’isa rehefa nahazo toerana 84. Nisafidy ny fitohizan’ny tetikasam-pampandrosoana ny vahoaka. Ary porofo izao fa mbola mametraka ny fitokisany amin’ny Fitondrana Rajoelina ny Malagasy maro an’isa.

Naharitra ora efatra teo ho eo ny fotoam-pitsarana goavana namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny vokatra ofisialin’ny Fifidianana Solombavambahoaka natao teto Madagasikara ny 29 Mey 2024 lasa teo. Feno ny efitrano tetsy Ambohidahy. Ary tomefy olona koa tety an-tokontany. Ankoatra ireo kandidà sy ireo olo-manankaja nasaina, dia maro be ireo mpanaraka kandidà tonga teny an-toerana niandry ny vaovao.

Araka ny fampahafantarana dia niisa 1506 ny fitambaran’ireo fitoriana tonga teny amin’ny HCC mahakasika ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo. Saika niompanan’ireo fitoriana ireo ny resaka halabato, biletà vita marika mialoha, ny fampiasana fahefam-panjakana, kolikoly ara-pifidianana, olom-panjakana manao propagandy, sy ny sisa. Araka izany, maro tamin’ireo fitoriana no tsy azo noraisina akory noho ny fanarahany ny pitsopitsony tokony harahina amin’ny  fametrahana fitoriana. Nisy koa ireo azo raisina saingy noho ny tsy fahampian’ny porofo, na misy porofo fa tsy naharesy lahatra, dia nolavina izany fitoriana izany.

Fanolorana Praiministra

Teo anatrehan’ireo rehetra ireo, tsy dia nahitana fiovana tamin’ilay vokatra vonjimaika nambaran’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny nambaran’ny HCC omaly. Anisan’ny misongadina indrindra ny mbola nihazonan’ny Vovonana miara-dalana amin’ny Filoha ny maro an’isa eo anivon’ity andrimpanjakana ity. Zava-dehibe tokoa mantsy ny fahazoana izany, noho ny fanolorana ny anaran’ny Praiminisitra tendrena izay mbola anjara andraikitry ny Antoko na Vondron’antoko politika maro an’isa eny Tsimbazaza. Tsiahivina fa mitombo 163 ny toerana misy eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Fantatra taorian’ny vokatra nivoaka omaly fa miisa 84 ireo toerana azon’ny IRMAR, 50 an’ireo tsy miankina, 20 ny an’ny Firaisankina, FIVOI 4, GJMP 1, Kolektif an’ny Malagasy 1, ary Antoko Maitso 1. Hahafahana mahita sahady izay mety ho fifandanjan-kery iny tarehimarika iny.

Renivohitra

Ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina dia saika nanjakan’ny IRMAR sy ny Firaisankina ny fari-piadidiam-pifidianana, ny ankamaroany. Ireo renivohi-paritany sy renivohi-paritra rehetra koa nahazoan’ny IRMAR vato iray farafahakeliny. Ho an’ny tao Fianarantsoa manokana dia nanao poa-droa Ramatoa Marie Michelle Sahondrarimalala sy Andriamatoa Seth Rajoelina izay lisitra IRMAR koa.

Tamin’ny ankapobeny, dia tsy nisy hevitra nanambara tsy fanekena voka-pifidianana nandeha teo. Didy tsy azo ivalozana rahateo ny didy avoakan’ny HCC. Na izany aza, hita ho afa-po tamin’ny vokatra ireo tonga teny Ambohidahy.

Fermer