Songadim-baovaoToekarena

MIALY RAJOELINA – COMFWB TRADE FAIR & CONFERENCE: « Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fandraharahan’ny vehivavy »

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny andiany fahadimy amin’ny hetsika ara-toekarena sy ara-barotra « Comesa federation of women in business trade fair & conference » – COMFWB izay atao eto Madagasikara mandritra ny roa andro, ny 28-29 Jona. Ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Ramatoa Mialy Rajoelina no Reny mpiahy ity hetsika ity ary tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny hetsika teny amin’ny Novotel Convention & Spa Alarobia.

Mandrafitra ny 55% ny mponina aty Afrika ny Vehivavy, araka ny tarehimarika navoakan-dRamatoa Maureen Subwee – COMFWB General Assembly President, omaly. Notsindriany fa maro ireo fanamby goavana miandry ireo vehivavy afrikana manoloana ny fampandrosoana ny kaontinanta afrikana. Nasiany teny manokana, noho izany,  ny maha-zava-dehibe ny fidiran’ny Governemanta amin’ny fanohanana ireo vehivavy mpandraharaha izay hita taratra tamin’ny fandraisan’i Madagasikara COMFWB Trade Fair & Conference. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny andiany fahadimy amin’ity hetsika ara-toekarena sy ara-barotra « Comesa federation of women in business trade fair & conference » – COMFWB ity. Omaly sy androany no nanaovana ny hetsika, ary ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Ramatoa Mialy Rajoelina no Reny mpiahy ity hetsika ity izay tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny hetsika teny amin’ny Novotel Convention & Spa Alarobia ny Zoma 28 Jona 2024. « Fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy mpandraharaha amin’ny tsenam-paritry ny COMESA anatin’ny fifanarahana ara-barotra afrikana an-kalalahana amin’ny fanamafisana ny fampiasam-bola maitso, ny fanampim-bola ary ny fizahantany » (Renforcer la participation des femmes entrepreneurs aux marchés régionaux du COMESA dans le cadre de l’accord de libre-échange africain en s’appuyant sur l’investissement vert, la valeur ajoutée et le tourisme) kosa no lohahevitra amin’ity andiany fahadimy ity.

Nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika fa fanararaotra ho an’ireo vehivavy mpandraharaha malagasy hahalalany marina tokoa ireo azo trandrahina sy sitrahina ao amin’ny tsenan’ny COMESA ity hetsika ity.

Mampandroso  toekarena

Nasongadin’ireo rehetra nandray fitenenana tamin’ity hetsika ity ny maha zava-dehibe ny fandraharahana ataon’ny Vehivavy. Notsindrian’ny Vadin’ny Filoha, Mialy Rajoelina mihitsy fa Fanoitra hahafahana mampandroso ny ara-toekarena ny fandraharahana ataon’ny Vehivavy, izay nosokajiana hatrany tany aloha fa fanaka malemy sy tsy mahatapa-kahitra. Mila hamafisina koa, hoy izy, ny fanabeazana ny vehivavy mba hahafahany mihary sy mampihodina ny toekarena. Notsindriany fa ny fanomezan-danja ny vehivavy dia antoka ananana hoavy tsaratsara kokoa.

Ho an’ny Governemanta malagasy manokana dia ezaka natao manokana ny fanamorana nu tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Izany dia niseho tamin’ny alalan’ny alalan’ireo fanavaozana samihafa toy ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola sy ny lalàna mifehy ny kaoperativa, ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, sns.. ary ny fametrahana ny taninketsa indostrialy ODOF (One district-One factory) izay nahafahana nametraka Ozina 69 manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, Andriamatoa Razafindravahy Edgard izay nitondra fisaorana manokana ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fanohanana ny mpandraharaha malagasy.

Tranoheva 100

Mandritra izao roa andro izao dia hisy fivoriambe 7 hotanterahina (4 ny zoma 28 Jona ary 3 ho an’ny Sabotsy 29 Jona), hisy ny fihaonana BtoB, ary tranoheva 100 no mampiranty ny vokatra avy amin’ireo Firenena 21 mpikambana amin’ny COMESA. « Soirée de gala » kosa no hamarana ity hetsika « Comesa federation of women in business trade fair & conference » mizotra eto Antananarivo – Madagasikara ity.

Ho fantatra amin’ny fiafaran’ity hetsika lehibe ity  indray izay Firenena handray ny COMFWB amin’ny andiany faha-enina amin’ny taona hoavy taorian’i Malawi- Zambie- Afrique du Sud, Egypte ary Madagasikara.

Fermer