PolitikaSongadim-baovao

FAHAZOANA NY MARO AN’ISA ENY TSIMBAZAZA: Manamarina ny mbola fatokisan’ny vahoaka ny Fitondrana Rajoelina   

Mbola vaovao mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny vokatra ofisialin’ny Fifidianana Solombavambahoaka farany teo, izay navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ity herinandro ity. Nibaribary tao anatin’izany fa manana ny maro an’isa ny Vovonana IRMAR izay miara-dalana amin’ny Filoha Rajoelina. Midika izany, hoy ny mpamakafaka politika tafaresaka taminay, fa mbola mametraka ny fitokisany amin’izao Fitondrana izao ny vahoaka.

Namoaka ny voka-pifidianana ofisialy mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka iny ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny alakamisy 27 jona lasa teo, raha tsiahivina. Nahazo ny maro an’isa tamin’izany ny Solombavambahoaka vaovao avy amin’ny vovonana « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina » (IRMAR), izay nahazo ny isa 84 amin’ny 163. Raha ho an’ny mpanao politika miaraka amin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny izany dia tsy mahagaga, satria hita fa mbola mametraka ny fitokisany amin’izao fitondram-panjakana mijoro izao ny vahoaka malagasy, manoloana ny vokatra. Raha ny hafatra azo avoaka avy tamin’iny voka-pifidianana ofisialy teo iny, dia mazava, fa resy lahatra eo amin’ny filàna filaminana sy fitoniana ny vahoaka malagasy, raha ny nambaran’ny Loholon’i Madagasikara Tsiebo Mahaleo. Ireo maro an’isa eny anivon’ny Antenimierampirenena no hanolotra ny Praiminisitra, araka ny Lalàmpanorenana, ary izay Governemanta hitsangana aorian’izay dia inoana fa afaka hiasa tsara eo anatrehan’ny Politika ankapobeny fanjakana, izay tsara rafitra eo anatrehan’ireo Andry telo dia ny fanomezan-danja ny maha olona sy ny fampiroboroboana ny indostria, ary ny fanjakana tsara tantana. Hita ihany koa ny tsy mahamarina ny filazana ho « nisy fanamparam-pahefana » mialohan’ny fifidianana, satria ny antoko miara-dia amin’ny fitondrana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka teo iny, ohatra, dia nahazo ny atsasa-manila 51% mahery. Izany dia midika fa malalaka ny fifidianana ary lavitry ny tsindry voalaza fa nisy toy ny fampiasana fahefam-panjakana. Notsiahivin’ny Loholona, fa anaty fahamatorany tsara ny antoko TGV amin’izao faha-15 taona nisiany izao, ary miroso ho amin’ny tsara kokoa. Io 51% io dia misy hafatra tian’ny vahoaka ampitaina, izay hitadiavany hatrany ny fanamafisana ny sosialiny, antony nametrahany fitokisana amin’ny Filoha Rajoelina hatramin’izao.      

Stan R.

Fermer