Songadim-baovaoSosialy

FANADINANA BEPC 2024: Andro voalohany anio, noraisina ny fepetra manokana fiarovana

Anio hatramin’ny 04 jolay 2024 no daty nofaritan’ny tetiandrom-pampianarana napetraky ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN) hanatanterahana ny fanadinam-panjakana faharoa lehibe BEPC (Brevet d’Etudes du Premier Cycle) amin’ity taona ity. Miisa 299 130 ireo mpiadina manerana ny Nosy hiatrika izany. Nisafidy ny sokajy A ny 153 082 tamin’izy ireo ary sokajy B ny 146 048 ambiny. Miparitaka amin’ny efitranom-panadinana miisa 8 888 ireo mpiadina, ary voatsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana miisa 1 079.

Andro voalohan’ny fanadinana BEPC, araka izany, ny anio. Taranja atao anio maraina ny Malagasy, haharitra adiny 3 sy fahefany. Hiatrika ny taranja SVT kosa ireo mpianatra anio hariva. Atao rahampitso ny taranja matematika sy frantsay. Tantara sy jeografia, fizika, ireo no atao amin’ny alarobia, no sady mamarana ihany koa ny fanadinana ho an’izay nisafidy ny sokajy B. Mbola mitohy ny alakamisy maraina kosa ny fanadinana ho an’ny sokajy A, hisafidianan’ireo mpiadina ny taranja anglisy, allemand, na espagnol.

“Mirary fahombiazana ho an’ny zaza malagasy rehetra miatrika izany fanadinana izany”, io ny teny firariantsoa ho an’ireo mpiadina BEPC rehetra manerana ny Nosy, nentin’ny Minisitry ny Fanabezam-pirenena mpisolo toerana Zely Arivelo Randiamanantany omaly, rehefa nanao lahateny miantefa tamin’ireo mpiadina rehetra ny tenany. Tsy nohadinoiny tamin’izany ihany koa ny fitondrany hafatra ho an’ireo Ray aman-dReny. Nambarany fa hampirisihana hatrany izy ireo mba hanohana ny ankizy mandritra ireo efatr’andron’ny fanadinana ireo. Hanohana ara-moraly, ara-tsakafo, sy araka izay tohana rehetra andrasan’ireo zaza amin’izy ireo. Nitondra ny teny fankasitrahana ho an’ireo mpampianatra rehetra miara-misalahy amin’ny fanatontosana ny fanadinana ihany koa ny Minisitra. Indrindra ireo mpampianatra izay namolavola ny mpianatra nandritra ny herin-taona ka nahafahany niatrika ny fanadinana, ireo izay nandray anjara tamin’ny famolavolana ny laza adina, ireo hanao ny fiambenana mandritra ny fanadinana, ireo mpitsara sy tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana ny taratasy rehetra mandritra ny fanadinana.
Mbola nisongadina nandritra io lahateny nataon’ny Minisitra Zely Arivelo Randriamanantany io hatrany ny fanomezany antoka amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny fanadinana. Nohavainy tamin’izany fa “mitovy tamin’ny CEPE natao teo ihany dia nohamafisina ny fanaraha-maso ny fanadinana mba hahatonga azy ilamina tsara”. Noraisina ihany koa, hoy izy, ny fepetra manokana, mihoatra noho io tamin’ny CEPE io, mba hahafahan’ny zaza malagasy miatrika ny fanadinana am-pilaminana. Raha tsiahivina dia nifotoran’izay paikady fiarovana napetraka izany ny fanamafisana ny fiarovana ireo laza adina, ho fisorohana ny fiparitahany mialoha ka hampiteraka korontana toy ny niseho nandritra ny fanadinana bakalorea tamin’ny tamin’ny taon-dasa. Misy ny marika manokana napetraka mba hanarahana maso fa tena mbola tsy nisokatra tokoa ireo sobika lehibe nasina ireo laza adina sy ny valopy rehetra ao anatiny. Natao samy hafa noho ny tamin’ny fanadinana CEPE farany teo hatrany izany mba hialana amin’ny hosoka mety ataon’ireo tompon’andraikitra alaim-panahy amin’izany. Tsy hadinoina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana.

Sarobidy Sidonie.

Fermer