PolitikaSongadim-baovao

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN: “Hametra-pialana ny Governemanta ho fanajana ny fenitra demokratika”

Ny talata 09 jolay izao no hivory voalohany ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara vao lany tamin’ny fifidianana farany teo. Ankoatra ny fananganana birao maharitra dia isan’ny andrasan’ny maro ny fanoloran’ny Vovonana IRMAR, izay maro an’isa, ny anaran’ny Praiminisitra hitarika ny Governemanta indray, araka ny voafaritry ny Lalàmpanorenana. Ho fanajana ny fenitra demokratika kosa dia hametra-pialana ny Governemanta ankehitriny, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Eo anatrehan’ny fifidianana Solombavambahaka tahaka izay nisy teo, ny fenitra demokratika dia mametraka ny firosoana amin’ny fametraham-pialan’ny Governemanta. Anjaran’ny Filohan’ny Repoblika indray, aorian’izay no misafidy izay Praiminisitra sy mpikamban’ny Governemanta tiany hiara-hiasa aminy indray anatin’ny fe-potoana hapetrany. Notsiahivin’ny Lehiben’ny Governemanta, Praiminisitra Ntsay Christian, fa firenena mandala ny demokrasia ny Firenena malagasy, ary vao andro vitsy lasa izay no nisy ireo maro an’isa fantatra taorian’ny filazana voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) farany teo. Ireo maro an’isa eny anivon’ny Antenimierampirenena, araka ny lalàna, no hanolotra ny anarana izay hotendren’ny Filohan’ny Repoblika ho Praiminisitra sy hanangana ny Governemanta vaovao.

Teo anatrehan’ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ireo Solombavambahoaka teo aloha, omaly, izay natrehan’ny Praiminisitra teny Tsimbazaza, dia naneho ny fankasitrahany ireo Solombavambahoaka tsy an-kanavaka ny tenany, tamin’ny alalan’ny Governemanta iray manontolo tao anatin’ny asa natao. Notsindriany, fa maro ny fanavaozana natao teto amin’ny firenena izay tsy tomombana raha tsy teo ireo solombavambahoaka sy Loholon’i Madagasikara. Nanararaotra niarahaba sahady ireo Solombavambahoaka rehetra voafidy handray ny asany manomboka izao, izany hoe manomboka ny 09 Jolay 2024, fotoana hanombohan’ireo Depiote am-perinasa vaovao ny fivoriana manokana, ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary nirary sahady ny hahatomombanan’ny asa hatrehan’izy ireo. Nasian’ny Praiminisitra teny ihany koa, ny mikasika ny fotoam-panatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna manerana ny Nosy, izay nomarihany, fa manana ny tetiandro mazava momba izay koa ny CENI, toy ny tamin’ny Solombavambahoaka farany teo, izay nanomezany daty sy hotapahin’ny Governemanta avy amin’io sosokevitra omen’ny CENI io.

Stan R.

Fermer