PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena

LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO – TOAMASINA : Ho voarakotra tara ny 25 km voalohany hatramin’ny faran’ny taona

Nitsidika ny fanamboarana ny lalambe migodàna mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, omaly, tao amin’ny Fokontany Ambolo,  kaominina Talata-Volonondry. Miroso ankehitriny ny asa fanamboarana. Ho vita hatramin’ny faran’ity taona ity, ny 25 km voalohany, amin’izany lalambe migodana izany, izay voarakotra tara na « goudron ». Tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ny hamitana azy tanteraka hatramin’ny taona 2027…

Nidina ifotony nitsidika ny fanamboarana ny lalambe migodàna mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny. Miroso ankehitriny ny asa fanamboarana. Ho vita hatramin’ny faran’ity taona ity ny 25 km voalohany amin’izany lalambe migodàna izany, izay voarakotra tara na « goudron ». Tao amin’ny Fokontany Ambolo,  kaominina Talata-Volonondry no natomboka izany fitsidihana ny asa izany. Notsindrian’ny Filoha nandritra ny kabariny omaly,  fa « fanamby napetraka ny fanamboarana ity lalana ity fa tsy fampanantenana fotsiny. Araka ny maha fanamby azy dia tsy maintsy vita hatramin’ny farany, ary manaraka ny fenitra izany ». Tenin’ny Filoha matetika fa tsy maintsy vita ao anatin’ity fe-potoana faharoa itantanany ny Firenena, ny asa fanamboarana ny arabe migodana Antananarivo – Toamasina. Araka izany, heverina ho amin’ny desambra 2027 ny ho vita ny asa. Fanamafisana fa mandeha ary tsy maintsy ho vita ny asa fanamboarana ny arabe migodàna, izao fidinana an-kianja nataon’ny Filoha sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izao, fa tsy araka ny tian’ireo mpanohitra voizina. Mirefy 260 km ity arabe migodàna ity, izay ahitana lalana roa mandroso ary roa miverina. Misy « aires de dégagement », na ampahany ahafahan’ireo fiara misy fahasimbana, na mila mijanona kely maka sisiny. Misy koa ny toerana ahafahana maka aina, miantsena, misakafo. Notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina  fa “tena « vraie autoroute » ny ataontsika”.

Ahitana tombony ara-toekarena…

Hampihena ny fotoana lany noho ny halaviran-dalana ny fisian’ity lalambe migodàna ity. Raha adiny 10 ny anaovana an’Antananarivo – Toamasina ankehitriny, ho vita adiny 2 ora sy 30 mn izany rehefa vita ity lalambe migodàna ity. Afaka manao ny zotra Antananarivo-Toamasina indroa na intelo isan’andro, araka izany, ny fiara. Hihena 40% ny fandaniana solika. Ho an’ny fitaterana entana, hihena ho 400 dolara isaky ny kaontenera izany, raha ohatra ka 600 dolara isaky ny kaontenera izy amin’izao. Araka izany, dia hipaka eo amin’ny vidim-piainana ny fihenan’ny sandan’ny fitaterana entana avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Hisy fiantraikany tsara ho an’ny fizahantany koa ny fanamboarana ity arabe migodàna ity satria dia ho mora, sy ho haingana raha hihazo ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy.

Araka ny fanazavan’ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, minisitry ny Asa Vaventy, mialohan’ny tena nanaovana ireo asa lehibe, dia tsy maintsy  nisy ireo pitsopitsony ara-teknika, ara-taratasim-panjakana, sy ara-piarahamonina nalamina. Araka izany, ny taona 2023 vao vita avokoa izany fandaminana rehetra izany. Tahaka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, sy ny fifampidinihana tamin’ireo mponina. Mba hitsinjovana ny tontolo iainana sy ny toeram-ponenana sy ny fambolen’ireo mponina, dia tsy maintsy novaina ny zotran’ilay arabe mikodàna na ny “tracé”. Isan’ireo teboka imasoan’ny Fanjakana sy ny fanajana ny maha olona…

Fifanotronana an-kianja voalohany…

Isan’ireo tonga teny an-toerana nanotrona ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny governemanta. Ny filohan’ny Antenimieran-doholona ny Jly Ravalomanana Richard. Maro ihany koa ireo solombavambahoaka vao lany tamin’ny fifidianana farany teo, izay nanara-dia ny Filoha Rajoelina nandritra ity fidinana an-kianja ity. Ankoatra ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny vovonana IRMAR, tsy vitsy ireo solombavambahoaka tsy miankina tonga teny an-toerana, tahaka an-dRakotoniaina Pety, lany tao Ikalamavony, Tsaradia Marco, lany tao Ampanihy, sy  Rabeharison Bernardin na i Din  Rotsaka, izay lany Befandriana Avaratra. Fanehoana moa izany fa miara-dia amin’ny Filoha, ary manohana ny politikam-pampandrosoana entiny izay mifototra amin’ny « Andry telo ».

Rado Harivelo

Fermer