PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANDIDIANA FO MISOKATRA – CENHOSOA: Tsy andoavam-bola ny fandidiana ireo ankizy mandritra ny dimy taona

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fomba  ofisialy ny  » Toeram-pandidina fo misokatra ao amin’ny CEHNOSOA,  omaly. Zaza malagasy miisa efatra no nisantatra ny fandidiana teto, ary tanteraka soa aman-tsara. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fa maimaimpoana tsy andoavam-bola avokoa ny fandidiana ireo ankizy momba ity fo misokatra ity…

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fomba ofisialy ny  » Toeram-pandidiana fo misokatra eny amin’ny CEHNOSOA, omaly. Tsy voatery handeha any ivelany intsony ireo zaza malagasy mila fandidiana ny aretin’ny fo fa ho vita eto an-toerana izany, amin’ny alalan’ity  » Toeram-pandidiana fo misokatra eny amin’ny CEHNOSOA, Soavinandriana voalohany eto Madagasikara ity. Zaza malagasy miisa efatra no nisantatra ny fandidiana teto, ary tanteraka soa aman-tsara izany. Marielle, Bryan, Jean Edièle sy i Finoana ireo no nanatanterahina ny fandidiana. Nanomboka ny 21-24 mey 2024 lasa teo izany. 13 taona ny zokiny indrindra ary 8 taona no zandriny indrindra. Efa salama tsara izy ireo ary efa miverina any amin’ny fianakaviana. Maharitra ora roa eo ny fandidiana, saingy mila fotoana lavalava kosa, ny fanomanana ny fiatrehana ny fandidiana. Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka indrindra ireo zaza sy ankizy. Hotohizana hatrany ireo ezaka efa natao amin’ny fampitaovana sy fananganana toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, fa « maimaimpoana tsy andoavam-bola ny fandidiana ireo ankizy ». Nasongadiny fa hatsangana eto Madagasikara ny « Centre de cardialogie » lehibe indrindra eto amin’ny Ranomasimbe indianina.

Afaka 5 taona hahavita tena…

Mpisehatra amin’ny fahasalamana 154 no hitombo traikefa amin’ny tetikasa  » fandidiana fo misokatra » Maro ny fanavaozana sy fanatsarana tokony hatao hitazomana ny laza no nahatonga ny ezaka tsy niato. Na eo aza izany, nisy hatrany ny tohana nilaina. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana nentina ny fametrahana ny ivon-toeram-pandidiana fo misokatra eo anivon’ny CEHNOSOA. « Manampy ny vahoaka ity tolotra vaovao ity », hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin nandritra ny lahateniny omaly. Mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, ny fampivoarana ara-toekarena mifototra amin’ny maha olona ny fisian’ity tetikasa ity. Mampitombo ny traikefan’ny mpitsabo sy ny mpisehatra  amin’ny fahasalamana . Mahatratra 154 izy ireo no misitraka fampiofanana. Afaka dimy taona dia antenaina fa mahavita tena irery ireto mpitsabo ireto. Namamafy  koa ny Filoha Rajoelina fa tena ilaina ary miombon-kevitra amin’ireo mpitsabo sy mpandidy izy ny hanaovana fiofanana azy ireo. Efa nisy ny fifampiresahan’ny Fanjakana malagasy samihafa hahafaha-mandefa ireo mpitsabo malagasy hanaraka fiofanana toy ny ao Frantsa.

Handidy zaza hatramin’ny 180…

Hiroso amin’ny fandidiana fo misokatra andiany faharoa ny eny anivon’ny CEHNOSOA Soavinandriana, ny volana septambra hatramin’ny volana novambra izao. Zaza 8 hatramin’ny 10 no heverina hisitraka izany. Tanjon’ny Fitondram-panjakana miaraka amin’ny ONG  » chaîne de valeur » ny handidy zaza hatramin’ny 180 ao anatin’ny telo taona. Mahatratra 60 ny zaza miandry fandidiana nandalo teny amin’ny toeram-pitsaboana zaza sy fo teny anivon’ny hopitaly. Ny fandidiana fo misokatra kosa, dia fanajanonana tanteraka ny fomba fiasan’ny fo. Fo tsy mitepo intsony tsy misy ra no didina. Soloina fiarovana ny mampikoriana ny ra sy misolo ny asan’ny havokavoka.  Raha ny traikefa azo tamin’ny fandidiana voalohany, maharitra adiny efatra ny fandidiana iray. Tsy voatery izay anefa, fa arakaraky ny toetr’ilay aretina raha ny fanazavana hatrany. Tsy hijanona amin’ny fandidiana fo ho an’ny  zaza ihany ny eny anivon’ny Hopitaly fa hiroso amin’ny fitsaboana olon-dehibe.  Arakaraka ny fahavononan’ny fitaovana sy ny mpitsabo no hahafaha-manatontosa izany.

Pierre M.

Fermer