Trangam-piaraha-monina

VONO OLONA MAHATSIRAVINA: Vehivavy varira iray 24 taona maty notapahin-doha

Vehivavy varira 24 taona notapahin-doha ka maty tsy tra-drano, rehefa an-dalana nody avy namonjy tsena tany Tsivorikely, anatin’ny distrikan’i Tsihombe, omaly maraina. Nentin’ireo dahalo ny lohan’ilay niharam-boina. Raikitra ny fanarahan-dia tanterahin’ireo Zandary sy ny fokonolona,  nanaovana fanairana ny toby manodidina rehetra sy ireo tanàna manodidina hanao ny sakana amin’izay toerana  mety holalovan’ireo mpanao heloka…

Lasibatry ny asan-dahalo sy ireo olon-dratsy ireo Varira! Omaly maraina no nahitana  vehivavy varira notapahin’olona loha ka maty tsy tra-drano, rehefa an-dalana nody avy namonjy tsena tany Tsivorikely, anatin’ny distrikan’I Tsihombe. Nentin’ireo nahavanon-doza ny lohan’ilay niharam-boina. Tombanana omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 10 minitra tany ho any no nanaovana ny famonoana, raha ny fanambarana voaray. Nandeha nianavaratra ny dian’ireo olon-dratsy. Mitondra ny anarana hoe i  Bao ity vehivavy Varira notapahin-doha ity, izay  24 taona,  monina ao Tomily, fokontany Andranomasy, kaominina Ankilivalo, distrikan’i Tsihombe. Omaly tokony ho tamin’ny 6 ora sy 40 minitra, tonga tao amin’ny Tobim-paritra Tsihombe ny Ben’ny tanànan’Ankilivalo, distrikan’i Tsihombe, nanao fanambarana momba ity vehivavy varira notapahin-doha ity.

 Zandary enin-dahy, araka izany,  no nahetsika hamonjy ny toerana voalaza ka hanao ny fitsirihana miaraka amin’ny Mpitsabo sy ny Ben’ny Tanàna ary hanao ny fanarahan-dia. Nanaovana fanairana ny toby manodidina rehetra. Toraka izany koa ireo tanàna manodidina hanao ny sakana amin’izay toerana  mety holalovan’ireo mpanao heloka. Nampandrenesina ny Komandin’ny vondron-tobim-paritra Ambovombe hidina any an-toerana, hanao izay fomba rehetra hahatrarana ireo nahavanon-doza. Tato anatin’ny herinandro, iharan’ny ambana ary efa mihatra aman’aina ny manjo ireo Varira any amin’ny Tapany Atsimo sy ny Faritra Atsimo Atsinanana iny. 

Lasibatra ny varira…

Vao ny talata lasa teo, no nitrangana fanafihan-dahalo tao Fenoarivo, kaominina Vatanato, distrikan’i Vangaindrano, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Olona roa no naratra. Dahalo tsy fantatra 10 lahy eo no nanatanteraka ny fanafihana.  Zaza varira telo no nokasain’ izy ireo hangalarina fa tafatsoaka ny iray. Ny roa kosa nanala fanadinam-panjakana BEPC tao Ranomena nanomboka ny alatsinainy. Tezitra noho ny tsy fahitana ireo varira saika ho Alaina an-keriny  ireo dahalo ka nandratra ny ray aman-drenin’ireo tanora varira, dia nandeha nitsoaka avy eo. Noresena lahatra ny fianakavian’ireo zaza izay mpampianatra, mba handefa ireto zaza varira ireto ao amin’ny Toby SEMAFA Farafangana, hiarovana ny ain’izy ireo. Marihina fa tsy mbola  nijanona ny fanangonana ireo varira ho ao amin’ny toby SEMAFA,  kanefa mbola misy ihany ny tsy resy lahatra ka dia matetika iharan’ny fakana an-keriny.

Raha tsiahivina, efa nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Fikambanana Varira eto Madagasikara, ny 2 desambra 2022, natao tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Niompana amin’ny fanatsarana ny paikady sy handrindrana ary indrindra itsinjovana ireo namana mpiray tanindrazana varira, izay iharan’ny herisetra isan-karazany ataon’ireo olon-dratsy. Natao koa ny fifanarahana ahafahana miahy sy manisa ary mampianatra ireo varira manerana ny Nosy.

Rado Harivelo

Fermer