PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAM-PIRENENA: Voafidy ho Filoha tamin’ny salanisa 100% ny Depiote Tokely Justin

Depiote 160 tamin’ireo 160 tonga nivory omaly teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena no nandany ny Solombavambahoaka voafidy tao Sambava, Tokely Justin, ho Filohan’ity Andrimpanjakana ity mandritra ny dimy taona manaraka. Kandidà tokana natolotry ny Vovonana « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR » ny tenany, ary nahazo ny fankatoavana sy ny fanohanan’ireo Vondron’Antoko Politika rehetra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Nankatoavin’ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny Fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena, taorian’ny nanitsiana sy nandanian’ireo Solombavambahoaka azy. Taorian’izay, izany hoe ny andron’ny omaly ihany, dia notanterahina ny fifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierampirenena (PAN). Kandidà tokana avy amin’ny vovonana IRMAR no lany tamin’ny fifidianana ho Filoha tamin’izany, rehefa nandrotsa-tena hofidiana dia ny Depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Sambava, Tokely Justin. Tsy nisy kandidà hafa mpifaninana nirotsaka ankoatra azy, araka izany. Rehefa natao ny latsa-bato dia lany tamin’ny salan’isa 100% ity Solombavambahoaka ity. Marihina fa ireo kandidà miisa 160 tonga nitarika ity fivoriana nandatsaham-bato ity dia nifidy azy avokoa. Anisan’izany ny vovonana Firaisankina sy ny Tsy miankina, ary ny FIVOY. Samy resy lahatra tamin’ity kandidà tokana natolotry ny vovonana IRMAR ity avokoa, Araka izany ireo Depiote rehetra. Taorian’ny fampielezan-kevitra natao momba azy, izany hoe ny filazalazana ny momba azy sy ny dingana efa natrehany sy ny ezaka vitany, dia maro ireo Solombavambahoaka nandray fitenenana nilaza ny fandresen-dahatra taminy, no sady nanainga ireo Depiote rehetra hifidy azy ka nahalany azy izao.

Voafidy ireo Filoha lefitra 06…

Nirosoana ihany koa ny fifidianana Filoha lefitry ny Antenimierampirenena (VPAN) isaky ny Faritany 06, izay mandrafitra ny Birao maharitra taorian’ny fifidianana Filohan’ny Antenimierampirenena. Kandidà natolotry ny vondrona parlemantera IRMAR ihany koa. Rehefa notanterahina ny latsa-bato miafina dia lany tamin’ny Faritany niaviany avy avokoa izy enina mianadahy. Ho an’ny Faritanin’Antananarivo dia ny Depiote Andriamananoro Augustin, lany tamin’ny isam-bato 151. Faritanin’Antsiranana, Mamangy Norbert, nahazo isam-bato 150, Faritanin’i Fianarantsoa, Fomendraza Haingo Nambinina, nahazo isam-bato 155, Faritanin’i Mahajanga Princia Soafilira 152, Faritanin’i Toamasina Naharimamy Lucien Irmah, 148, ary ny Faritanin’i Toliara Tinoka Roberto tamin’ny isam-bato 148. Izy ireo izay mandrafitra ihany koa ny Birao maharitra. Nitsangana tamin’izany koa ny vondrona parlemantera miisa 03 eo anivon’ity Andrimpanjakana ity, dia ny IRMAR sy Firaisankina, ary ny fivondronan’ny Tsy miankina sy ny FIVOY. Nampahafantarina tamin’izany koa ny Filohan’ny fanoherana eny amin’ny Antenimierampirenena, dia ny Depiote Randrianasoloniaiko Siteny, voafidy tao Toliara I. Omaly alina ihany koa dia nirosoana ny fifidianana ireo Kestora miisa telo. Torak’izany ny Mpampakateny jeneralin’ny Antenimierampirenena sy ny lefiny, izay samy mandrafitra ny Birao maharitra.

TOKELY JUSTIN ?: 50 taona, manambady, mananjaka 2, Administrateur Civil en Chef de Classe exceptionnelle 2è Echelon. Efa Lehiben’ny Distrikan’i Andapa ny taona 2005-2009, Lehiben’ny Distrikan’i Ambilobe ny taona 2009 – 2014, Talen’ny Institut National de la Décentralisation et du Développement Local (INDDL) ny taona 2014- 2018; Tale Jeneralin’ny INDDL ny taona 2018 – 2019 ; Governora ny Faritra SAVA ny taona 2019 – 2022 ; Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjara-pahefana ny taona 2022- 2024 ; Minisitry ny Atitany ny Janoary 2024-mey 2024.

Stan R.

Fermer