PolitikaSongadim-baovao
TOLO-KEVITR’IREO DEPIOTE MARO AN’ISA: Voatendry ho Praiminisitra indray i Ntsay Christian
Araka ny voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia noraisin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina omaly, ny didim-panjakana manendry an’i Ntsay Christian, ho Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny tolo-kevitra natolotry ny antoko na vondron’antoko maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nofaritan’ny Filoha fa ny Praiminisitra dia olona manana ny traikefa mifanojo amin’izany andraikitra goavana izany, na eo amin’ny lafiny fahaiza-manao na eo amin’ny fahafantarana ny firenena manerana an’i Madagasikara na amin’ny fananana paikady enti-mampandroso ny Firenena…
Ho fanatanterahana ny voalazan’ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny voalazan’ny andininy faha-54, dia noraisin’ny Filohan’ny Repoblika ny didim-panjakana laharana faha-2024-1456 tamin’ny 12 jolay 2024 manendry an’Atoa Ntsay Christian, ho Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, araka ny tolo-kevitra natolotry ny antoko na vondron’antoko maro an’isa, nohatevenin’ireo solombavambahoaka tsy miankina, eo anivon’ny Antenimierampirenena, izay feno 100 isa tonga teny an-toerana omaly. Nohazavain’ny Filoha ny olona tokony ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta, olom-pirenena vonona, vanona ary manana ny traikefa mifanojo amin’izany andraikitra goavana izany, na eo amin’ny lafiny fahaiza-manao izany, na eo amin’ny fahafantarana ny firenena manerana an’i Madagasikara. Eo koa ny fahaiza-mitarika ireo rafitra mpanatanteraka, indrindra ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. Olona natao hifandray amin’ireo tomponandraikitra ambony eto an-tanindrazana sy any ivelany ny Praiminisitra. Antony tsy maintsy ananany fifehezana eo amin’ny lafiny diplaomasia sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.
Olona azo ametrahana fitokisana…
Raha mametraka vina ny Filoham-pirenena, ary mitarika ny Fitondram-panjakana amin’ny dingana rehetra, ny Praiminisitra kosa, no mametraka ny paikady sy ny soridalana mazava, amin’ny fanatanterahana ireo fanamby sy ny asa rehetra voafaritry ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, raha ny fanazavan’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany. Ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, dia mila olona manana fitokisana amin’ny Praiminisitra, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa matotra amin’izy ireo. Nanterin’ny Filoha, fa raha vao malemy ny Praiminisitra dia malemy ny Firenena sy ny Fitondram-panjakana. Ny fanapahan-kevitra raisina dia tsy maintsy atao manaraka ny lalàna sy ny fenitra rehetra. Olona azo ametrahana fitokisana sy mahitsy ary tsy mivadibadika. Manana traikefa takina, izay efa natomboka ary tsy maintsy ho vitaina amin’ireo planina efa napetraka.
Ny lalana mankany amin’ny fandrosoana dia mifototra amin’ny fitohizan’ny asa efa natomboka. Tsy maintsy manatsara sy manavao ny fomba fiasa koa anefa, raha ny nantitranterin’ny Filoha tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, mba hafainganina araka ny tokony ho izy ary esorina ny sakana izorana mankany amin’ny fampandrosoana. Nasongadin’ny Filoha kosa, fa tsy irotorotoana ny fametrahana ny mpikamban’ny governemanta. Mbola misy ny tombana tanterahina ho an’ireo minisitra. Mila fotoana andalinana tsara vao miroso, amin’ny fametrahana ny mpikamban’ny governemanta. Ny governemanta ankehitriny kosa, dia manohy ny fampandehanana ny Firenena. Miara-manohy ny ezaka isika, na ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, na ireo mpikamban’ny governemanta vao mitsangana eo.
Rado Harivelo




