Trangam-piaraha-monina

KAMIAO NIVADIKA – RN 8A : Olona 11 namoy ny ainy, enina naratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly vao maraimbe, tokony ho tamin’ny 2 ora sy  30 minitra, tamin’ny lalam-pirenena N8A mampitohy ny distrikan’Antsalova sy Maintirano. Kamiao lehibe iray nitondra vato 5 taonina no nilatsaka tao anaty lavaka ka nahatonga ny fivadihana. Olona miisa 11 no namoy ny ainy,  voatsindrin’ny entana tao anaty fiara, ka zaza amam-behivavy ny dimy, raha  lehilahy ny enina…

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly vao maraimbe, tokony tamin’ny 2 ora sy  30 minitra, tamin’ny lalam-pirenena N8A mampitohy ny distrikan’Antsalova sy Maintirano, eo amin’ny toerana 1 km hivoaka ny fokontany Bemonto, kaominina ambanivohitra Soahany, distrikan’Antsalova ho any Maintirano. Araka ny angom-baovao, fiara kamiao TATA avy any amin’ny Kariera Mangaroa, fokontany Anjiabe kaominina ambanivohitra Antsalova mitondra vato “Agathe” milanja 5 taonina, izay  no nilatsaka tao anaty lavaka “radier” ny kodirany aoriana havanana ka nampivadika ilay fiara. Olona miisa 11 no maty, izay voatsindrin’ny entana tao anaty fiara. Vehivavy dimy misy zazakely ao anatiny ary lehilahy enina misy tovolahy kely koa namoy ny ainy, vokatr’izao loza tsy nahy izao. Ireo naratra efa nentina amin’ny toerana fitsaboana CSBI Bemonto ary efa nahazo fitsaboana ka tsy misy atahorana ny ainy. Ny razana dia nomena fokonolona ary napetraka ao amin’ny Biraon’ny fokontany Bemonto mandra-pahatongavan’ny havan’izy ireo. Notazomina vonjimaika ao amin’ny Biraon’ny zana-tobim-paritra ilay mpamily noho izao lozam-pifamoivoizana miseho izao. Mbola tsy fantatra ny mombamomba ireo razana

Misesisesy ny kamiao nivadika…

Vao ny herinandro lasa teo, kamiao lehibe iray mitondra vary akotry 7Taonina avy any Ampasika ho any Imerintsiatosika no nivadika teo amin’ny vavaranokely, sahabo ho 2 km avaratry ny tanànan’Ampasika, fokontany Ambatofotsy tsena kaominina Bemahatazana distrikan’ny Tsiroanomandidy. Vokany, mpamily mpanampy iray sy mpibata entana roa no maty voatsindrin’ny vary tao aoriana. Ny mpamily kosa, tsy naninona fa nentina namonjy dokotera nijerena ny fahasalamany ary hatao andrimaso. Matetika mitera-doza ny tsirambina ataon’ny mpamily, indrindra ny fahasahiana mitondra olona maro, amina kamiao lehibe. Ny lalàna dia milaza fa tomponandraikitra tanteraka ny mpamily amin’ny fiara entiny. Mila avahana tsara ny andraikitry ny fiara izay tsy nisy fitsirihina teknika sy ny andraikitry ny mpamily izay nisetrasetra, indraindray tafaraka ireo. Fositra lehibe mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fanaovana zavatra mihoatra ny tokony hatao, dia mitera-doza, izay miteraka fandikan-dalàna. Tokony hahasahy hitoroka na tsy manaiky hiray tsikomba amin’ny  fihoaram-pefy tanterahin’ireo mpamily ireo mahita tsy fanarahan-dalàna.

Pierre M.

Fermer