Songadim-baovaoSosialyToekarena
TETIKASA FITARIHAN-DRANO AO EFAHO: Miroso ny asa, tombanana ho vita hatramin’ny faran’ny taona ny dingana voalohany
Tonga tao Taolagnaro omaly ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian nijery ny fizotry ny fanamboarana ny fantsona Efaho izay hitondra rano fisotro madio sy rano ho an’ny fambolena sy fiompiana ho an’ny vahoaka any amin’ny distrikan’i Faradofay, Amboasary ary Ambovombe Androy. Fotoana izay nijerena ihany koa ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13.
Paikady napetraky ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hiadiana amin’ny tsy fahampian-drano any amin’ny Faritra Androy sy Anosy ny fanamboarana fitarihan-drano goavana mirefy 97km na pipeline avy amin’ny reniranon’i Efaho. Mponina miisa 500.000 no hisitraka rano fisotro madio, tany fambolena mirefy 80 000ha no ho voatondraka ary hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an’ny biby fiompy.
Omaly dia tonga tao Taolagnaro ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian nijery ny fizotry ny fanamboarana ny fantsona Efaho izay hitondra rano fisotro madio sy rano ho an’ny fambolena sy fiompiana ho an’ny vahoaka any amin’ny distrikan’i Faradofay, Amboasary ary Ambovombe Androy. Efa miroso ny asa amin’izao fotoana izao izay ataon’ny orinasa TOP International ka ny dingana voalohany dia ny fananganana ireo fotodrafitrasa lehibe ao Andakana (PK0) ho fanangonana rano, fanadiovana ny rano ao ary paompy maro izay hanosika ny rano mankany amin’ny fantsona. Eo koa ny fanamboarana ireo fantson-drano roa lehibe mirefy 31 km avy. Fantsona mirefy 11 km no efa tonga any an-toerana ka nanome toromarika ny Praiministra ny amin’ny hanafainganana ny fahatongavan’ireo fantsona sisa, ao Taolagnaro. Mbola ao anatin’ny dingana voalohany koa ny fanamboarana toeram-pitehirizana rano mpanelanelana eo amin’ny PK31.
Tokony ho vita hatramin’ny faran’ny volana desambra 2024 farafahatarany ireo asa rehetra amin’ny dingana voalohany ireo, raha ny fanazavan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.
Lalam-pirenena faha-13
Ankoatra izay dia tonga nitsidika ny fanamboarana ny RN13 ataon’ny orinasa Colas koa ny Praiministra. Koa satria mandalo sy manapaka ny RN13 ny zotran’ny fantsona Efaho dia nifampidinihana teo amin’ny Minisitry ny rano sy Ministry ny asa vaventy, ankilany, ary ny TOP International sy ny Colas, andaniny, ny fandrindrana ireo tetikasa roa lehibe an’ny Filohan’ny Repoblika ireo. Nomarihin’ny Praiministra fa efa mandroso ny asa ary tokony ho tena faranana amin’ny volana mey 2025 araka ny efa nifanarahana.
Amin’ny ankapobeny dia nampatsiahy ireo orinasa roa ireo ny Praiministra ny amin’ny tokony hanajana ny fe-potoam-panatanterahana nifanomezana.
Nangonin’i LR.




