Fanadihadiana ManokanaSosialy
FANARARAOTANA MAMOAFADY AMIN’NY ATERINETO: Manodidina ny 90 000 ireo horonantsary mamoafady ahitana ankizy malagasy
Hatao rahampitso 26 jolay ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny fampiasana ny ankizy. Mampitodika antsika amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampiasana ankizy eto Madagasikara izany fahatsiarovana izany. Tsapa fa mivoatra ankehitriny ny endriky ny fampiasana ny ankizy eto amintsika. Miha mahazo vahana ny fanararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny aterineto.
Sokajiana ho ankizy avokoa ny olona rehetra latsaky ny 18 taona. Eto Madagasikara anefa, maro ny ankizy efa miditra sahady amin’ny sehatry ny asa, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy. Taratry ny mbola maha an-dalam-pandrosoana ny firenena iray ny fisiana ankizy tsy ampy taona maro miditra sahady amin’ny asa. Raha ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra iray misahana ny fiarovana ny ankizy, saika ahitana io tranga fampiasana ny ankizy io avokoa ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Singanina manokana sy mahazo vahana kokoa anefa izany any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy, toy ny any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Androy, ary Anosy, izay mandrafitra ny maherin’ny 60% amin’ny tahan’ny ankizy rehetra miditra eo amin’ny sehatry ny asa eto amin’ny firenentsika.
Ankilany, faritana ho anton’asa rehefa asa atao, andraisam-bola na tsia, ivelan’ny tokantrano misy ny ankohonana. Eto Madagasikara manokana, tafiditra amin’ireo asa andraisan’ny ankizy anjara betsaka ny fikaramana asa an-trano sy izay rehetra mifandraika amin’izany, ny fitaizana zaza, ny fivarotana, ny asa fitrandrahana vato sarobidy, ary indrindra ny fanararaotana ara-nofo ireo ankizy ka mamadika izany hahazoana vola. Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana, fomba iray hisehoan’ny fampiasa ny ankizy ihany koa ny fandefasana azy ireo mangataka eny an-dalambe. Fantatra fa manana salan-taona ambany, eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 11 taona, ny 36%-n’ireo ankizy manana anton’asa eto amintsika.
Nambaran’ny Firenena Mikambana fa nanao ezaka goavana izao tontolo izao amin’ny fampihenana ny fampiasana ankizy hatramin’ny taona 2000. Ankizy an-tapitrisany maro anefa no voatery tsy maintsy nandray ny laharan’ny mpiasa tato ho ato, noho ny fahantrana naterak’ireo tranga nisy toy ny ady ifanaovan’ireo firenena, ny krizy, sy ny fihanaky ny tsimokaretina VIH. Rehefa izany, manodidina ny 160 tapitrisa eo ireo ankizy maneran-tany miditra sahady amin’ny tontolon’ny asa. Izany hoe ankizy 1 amin’ny 10 manerana an’izao tontolo izao. Mitana ny laharana voalohany amin’ireo kaontinanta mampiasa ankizy betsaka indrindra ny aty Afrika. 72 tapitrisa ny isan’ireo ankizy miasa. I Madagasikara izay tafiditra ao anatin’ny kaontinanta afrikanina, nambaran’ny Unicef fa ny 37%-n’ny ankizy 5 hatramin’ny 17 taona no tsy maintsy miasa. Mitana ny laharana faharoa amin’ny kaontinanta mampiasa ankizy betsaka indrindra kosa ny any Asie sy Pacifique. Manodidina ny 62 tapitrisa ireo ankizy miasa any an-toerana.
Asa mamoafady…
Ankoatra ireo endrika asa mahazatra ahitana ny ankizy eny amin’ny fiainana andavanandro ireo anefa, mivoatra ihany koa ankehitriny ny endrika hisehoan’izay fampiasana ny ankizy izay. Mivoatra satria hatramin’ny niroboroboan’ny teknolojia dia nahazo vahana koa ny fanararaotana mamoafady ny ankizy eny amin’ny aterineto. Izany hoe mampiasa ireo ankizy ireo amin’ny asa mamoafady ka mivarotra izany, hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mba hahazoana tombony. Tamin’iny taona 2023 iny, fantatra fa manodidina ny 90 000 ireo horonan-tsary mamoafady ahitana ankizy malagasy miparitaka maneran-tany. Tsy misy afa-tsy maherin’ny 100 ihany anefa no hitan’ny “cybercriminalité” eto amintsika.
Ny maha zava-doza ny fampiasana ny aterineto entina hanararaotana ny ankizy dia ny hoe tsy voatery mihaona mivantana fa amin’ny alalan’ny sary na horonan-tsary ihany dia efa afaka manao izay fanararaotana izay ireo olon-dratsy. Ny ankizy ihany koa, etsy ankilany, dia mihevitra fa tsy mihatra amin’izy ireo ny fanararaotana satria tsy mivantana ny tranga, ary tamana manome tolotra mamoafady satria ahazoana tambiny ara-bola na zavatra hafa izany. Vokany, mitarika ary mandrisika ny ankizy hanao fivarotan-tena ny fanararaotana mamoafady amin’ny aterineto.
Manoloana izany, manana ny anjara andraikiny ao anatin’ny famongorana io endrika fampiasana sy fanararaotana ny ankizy ny rehetra. Voakasik’izany ny Ray aman-dReny, ny mpanabe, ny Fanjakana, sy ny Fiarahamonina iray manontolo. Isan’ny fanentanana atao amin’ny ankizy mandritra ireny hetsika fidinana ifotony ireny ny fahaizana mampiasa ny aterineto. Santionany amin’izany ny hoe tsy tokony miresaka amin’ny olona tsy fantatra ny ankizy, tsy mitsidika ireo rohy natokana ho an’ny olon-dehibe ihany koa, ary tsy tokony hijanona maharitra eo amin’ny tambazotran-tserasera.
Mampiasa aterineto ny 87%-n’ny ankizy
Rehefa izany, mandrisika ary ambana ho an’ny fampiasana ny ankizy amin’ny asa mamoafady ny aterineto. Iaraha-mahalala anefa ny firongatry ny fampiasana io fitaovana io ankehitriny, indrindra ny tambazotran-tserasera. Voasarika amin’izany ihany koa ny ankizy. Raha ny vokatry ny fanadihadiana notanterahan’ny fikambanana Ecpat France eto Madagasikara tamina ampahana ankizy manerana ireo faritra enina eto amintsika, mirona amin’ny fampiasana aterineto avokoa ny 87% amin’ireo ankizy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 17 taona. Misedra na mety iharan’ny fanararaotana mamoafady ny 47%-n’ny ankizivavy amin’izy ireo, raha toa ka 41% ny taha any amin’ny zatovolahy. Antony mahatonga izany moa ny tsy fahafantaran’ny ankizy. Mirongatra be ny teknolojia kanefa ny ankizy tsy voahomana ny amin’izany.
Zava-dehibe, noho izany, ny fanaraha-maso ireo ankizy mikirakira aterineto sy tambazotran-tserasera ireo. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny Ray aman-dReny izay miara-miaina amin’ireo ankizy ireo. Olana hafa indray koa anefa ny hoe ireo ankizy sy ny tanora indray no mahafehy kokoa ny fampiasana aterineto mitaha amin’ireo Ray aman-dReny. Ho fampiharana io paikady fanaraha-maso io, araka izany, ilaina ihany koa ny fizarana fahaizana sy fahalalana any amin’ireo Ray aman-dReny mba hahafahany manatenteraka io andraikitra ankinina aminy io.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



