PolitikaSongadim-baovao
JLY RAVALOMANANA RICHARD: « Tokony ho olona mahafehy ny andraikiny no hapetraka Minisitra »
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fananganana Governemanta vaovao omaly ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Notsipihiny fa fahefan’ny Filohan’ny Repoblika feno sy ny Praiminisitra ny manendry izay olona hapetraka ho Minisitra, fa tsy tokony hametrahana adihevitra be. Tsy azo heverina koa, hoy izy, ny hidiran’ny mpanohitra ao anatin’izany Governemanta vaovao izany.
Andrasana aorian’ny fahatongavan’ny Filoha Andry Rajoelina avy any ivelany ny fanendrena ireo Mpikambana vaovao eo anivon’ny Governamanta Ntsay Christian. Eo am-piandrasana izany anefa, sesilany ireo karazana fanehoan-kevitra ataon’ny Mpanao politika eto amintsika. Nilaza omaly ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny momba ny fanendrena Minisitra. “Izaho manokana dia tsy mankasitraka intsony ny firesahana indray fisiana korontana eto amin’ny firenena, ka itakiana fifampidinihana sy fiaraha-mitantana”, hoy ny Jly Ravalomanana Richard. Tombontsoa manokana no tadiavin’ny olona mitaky fiaraha-mitantana, hoy hatrany izy. Efa lany ny Filohan’ny Repoblika, manana Praiminisitra isika izao, mipetraka ny Solombavambahoaka, ka tsy tokony ho any amin’ny fifampidinihina, noho ny tsy fahazoana seza indray no ametrahana adihevitra. “Aleo hanao ny asany araka ny tokony ho izy ny Filohan’ny Repoblika”, araka ny fanazavana.
Ho an’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ny Mpikamban’ny Governamanta izay tonga eo dia tokony ho tena olona mahafehy ny andraikiny. Notsipihiny fa misy ny atao hoe “Fonction politique” sy « Fonction technique » ho an’ny Minisitra. Midika izany fa ny olona tendrena minisitra dia tokony ho mahay mampiasa an’ireo teknisianina eo ambany fiadidiany, ary hahasahy handray andraikitra amin’ireo teknisianina tsy mahavita ny asany. Nilaza koa ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa rehefa Minisitra ny olona iray dia mba tokony harahana ny grady. Izany hoe tsy tokony ho olona ambany grady no tendrena amin’ny toerana ambony, ary ny ambony grady indray no fehezina. Nahitsy ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa tokony hojerena akaiky ny grady sy ny trakefa ananan’ilay olona, mba tsy ho resaka politika koa ny fanendrena Tale sy Tale Jeneralina Minisitra.
Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra, araka izany, ity fanendrena Governamanta vaovao ity. Ny Filoha Rajoelina izay efa nilaza fa haka fotoana tsara handinika izay hotendrena Minisitra.




