PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA AN-TAMPON’NY « COI » ETO MADAGASIKARA: Nanaiky ny fanasan’ny Filoha Rajoelina ny Filoha Emmanuel Macron
Matotra ny fiarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Voaporofo izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron , izay nanamafisan’izy ireo ny fahavononan’ny firenena roa tonta hiarahiasa. Nandritra ny fihaonana ihany koa no nanasan’ny Filoha malagasy an’andriamatoa Emmanuel Macron handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampon’ireo Mpitondra fanjakana eo anivon’ny COI izay ho atao eto Madagasikara.
Araka ny fampahafantarana efa nataon’ny Filohan’ny Repoblika dia tontosa omaly ny fihaonana teo aminy sy ny Filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron, nialohan’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalao Olympika 2024, tanterahina any an-toerana. Fihaonana izay nahafahan’ny roa tonta niresaka momba ny fanamafisana ny fiarahamiasa ara-diplomatika sy ara-toekarena. Nasiana tsindrim-peo manokana ireo tetikasa fanamboarana ivon-toerana mpamokatra herinaratra « hydroélectrique » izay laharam-pahamehana amin’ny fampitomboana ny famokarana angovo manerana ny Nosy.
Noresahan’ny roa tonta ihany koa ny fihaonana an-tampon’ireo Mpitondra Fanjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI). I Madagasikara no handray izany fihaonana izany amin’ny maha Sekretera Jeneraly azy ity vondrona ity. Nanaiky ny fanasana manokana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina handray anjara amin’izany fihaonana izay hotanterahina eto Madagasikara izany ny Filoha Macron.
Nanararaotra ity fihaonana ity ny Filoha Emmanuel Macron niarahabana indray ny an’andriamatoa Andry Rajoelina tafaverina eo amin’ny fitantanana taorian’ny fifidianana notanterahina ny taona 2023.
Tsiahivina fa nasain’ny Filoha frantsay manokana hanatrika ny lanonam-panokafana ny Lalao Olympika 2024 ny Filohan’ny Repoblika malagasy mivady. Aorian’ny fandehanany any Paris dia hitohy avy hatrany amin’ny fitsidihana ara-panjakana any Guinée Bissau sy Angola ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina.




