Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA FAMONOANA AN’I ALLAN: Roa lahy voaheloka higadra mandra-pahafaty, olona dimy hafa nahazo 20 taona avy
Tsy vitavita teo akory ny raharaha mikasika ny famonoana ilay zazalahy kely monina teny Andavamamba, antsoina hoe “Allan”, 10 taona nisy namono tao an-tranony, ny alin’ny 10 febroary 2023, na dia efa nisy aza, ny fanaovana am-ponja vonjimaika ireo olona voampanga ho tao ambadik’iny raharaha iny. Nitohy hatrany ny fanadihadiana, ary herintaona sy dimy volana taty aoriana dia niakatra fitsarana ny raharaha, ary nivoaka ny didim-pitsarana, omaly hariva. Maromaro ireo olona natolotra ny fitsarana tamin’ity raharaha ity, saingy olona miisa 07 no voaheloka tao anatin’izany, raha afaka ny ambiny. Roa lahy voaheloka higadra mandra-pahafaty, ary anisany ilay lehilahy mpanofa trano sy lehilahy iray niray tsikombakomba tamin’ny famonoana an’i Allan. Ireo olona dimy voaheloka higadra mandritra ny 20 taona, dia ahitana vehivavy miisa telo. Anisan’izany ny vadin’ilay lehilahy mpanofa trano, ary ny mpanampy an-tranon-dry Allan. Ny sisa dia ireo mpiray tsikombakomba tamin’izy mivady ireto. Raha tsiahivina, dia ny alin’ny 10 febroary io, ny renin’i Allan, no nokendren’ireto olon-dratsy hovonoina tamin’izany, saingy tsy tao ity farany, fa ny zanany mianadahy no tao an-trano. Ity tsy manan-tsiny, araka izany, no nanamparan’ireo tsivalahara ny habibiany, satria novonoina tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy ity zazalahy ity, raha hiverenana. Ny anabavin’i Allan kosa, no nahatadidy ny endrik’ireo olon-dratsy nanao habibiana tamin’izany, raha ny fantatra. Tsy nahaloa hofan-trano efa amam-bolana ireto mpivady tamin’izany, ary ny renin’i Allan no nandeha nitaky ny vola tamin’izy ireo, saingy vava sy fandrahonana no nasetrin’ireto farany taminy. Havana sy naman’ireto mpivady kosa, no voalaza fa nanatanteraka sy niray tsikombakomba tamin’izao famonoana ho faty ilay zazalahy tamin’izany.



