
PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA ANY GUINÉE BISSAU : Nosalorana ny mariboninahi-pirenena ambony indrindra « Amilcar Cabral »
Nitohy omaly ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny Filoha Andry Rajoelina ao Bissau Renivohitry Guinée Bissau. Marihina fa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no Filoha malagasy voalohany nanao fitsidihana ara-panjakana tao amin’ity firenena ity. Fifanaraham-piarahamiasa mahakasika sehatr’ asa miisa 28 no vita sonia omaly.
“Voninahitra ho ahy ny manao fitsidihana ara-panjakana aty Guinée Bissau. Manamarika pejy vaovao ho an’ny fiarahamiasan’ny roa tonta eo amin’ny lafiny diplomasia mba hanamafisana ny fifandraisana sy ny fiarahamiasa izany”, hoy ny Filoha Rajoelina omaly. Tsara ho fantatra fa sambany no nisy filoha malagasy nanao fitsidihana ara-panjakana toy izao tany Guinée Bissau. Midika izany fa manana finiavana tsara ny roa tonta hiara-dalana amin’ny fampandrosoana. Notsindrian’ny Filoha tao anatin’ny fandraisam-pitenenany fa eo anatrehan’ny fanamby mila atrehan’ny kaontinanta afrikanina, dia zava-dehibe ny fanehoana firaisankina.
Nanamafy izay voalazan’ny Filoha malagasy izay ihany koa ny Filoha SEM Umaro Sissoco Embaló tao anatin’ny fandraisam-pitenenany. Nankasitraka ny fitsidihana ara-panjakana tanterahin’ny Filoha Rajoelina ny tenany. Ary efa nilaza sahady fa handefa manamboninahitra sy miaramila aty Madagasikara mba hiofana eny amin’ny Akademia miaramila Antsirabe. « Vonona handray miaramila hiofana ao amin’ny akademia miaramila malagasy i Madagasikara », hoy ny Filoha Rajoelina namaly azy.
Nipoaka ny tafondro
Tsara ho fantatra fa vao maraina omaly dia efa niatrana manoloana ny Lapam-panjakanan’ny Repoblika, misy ny birao fiasan’ny Filoham-pirenena Bissau-guinéen, SEM Umaro Sissoco Embaló ny « Garde Présidentielle » sy ny Tafi-panjakana Bissau-guinéen niandry ny fahatongavan’ny Filohampirenena Malagasy, SEM Andry Rajoelina tonga manao fitsidihana ara-panjakana eto Guinée Bissau. Tamin’ny 1O Ora sy 18 minitra (Ora any an-toerana) no nigadona manoloana ny Lapam-panjakana ny Filoham-pirenena malagasy, SEM Andry Rajoelina.
Ny « Commandant du Bloc militaire de la Guinée Bissau » no nitsena ny Filoha Andry Rajoelina teo am-pahatongavana. Avy eo noraisin’ny Filoha Umaro Sissoco Embaló manoloana ny karipetra mena (tapis rouge). Nisy ny fiarahabana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ireo Tafika Bissau-guinéen, tamin’ny fitenin-dry zareo manao hoe: » BOM DIA », izay fomba fiarahabana ny Bissau-guinéenne. Taorian’izay, nisy ny firedonana hiram-pirenena malagasy dia nipoaka ny tafondro 21 vava, araka ny fomba amam-panao ara-miaramila. Izany hoe, fomba amam-panao ara-tafika rehefa mandray vahiny manakaja ambony amin’ny Firenena iray. Nisy koa ny fisafoana ny andian-tafika narahana matso (défilé) taorian’izay.
« Salon noble de la République »
Tao amin’ny « Salon Noble de la République » ao anaty Lapam-panjakana no nandraisan’ny Filoha Umaro Sissoco Embaló ny Filoha Rajoelina. Nisy ny fiarahana naka sary miaraka nataon’ny Filoha roa tonta taorian’izay.
Niroso tamin’ny fanaovana sonia ny boky volamena ny Lapam-panjakanan’ny Repoblikan’i Guinée Bissau ny Filoha Rajoelina ary rehefa izay dia nihaona manokana tao amin’ny birao fiasan’ny Filoha Umaro Sissoco ny Filoha mirahalahy.
Fihaonan’ny delegasion’ny roa tonta
Nanamarika ny tontolo andron’ny omaly koa nisian’ny fivoriana niarahan’ny delegasiona roa tonta (réunion bilatérale), nahitana ny Minisitry ny Filoalindahy, ny Jly Sahivelo Monja Lala Delphin, ny Mpanolotsaina manokana Rajoelina Patrick, ny Talen’ny Fandrindrana ny Tetikasan’ny Filoha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Andrimasinoro Bango izay niaraka amin’ny Filoha Rajoelina an-kilany. Ny an-daniny izay notarihin’ny Filoha Umaro Sissoco kosa dia nahitana ny « ministre des affaires étrangères et de la coopération Internationale et de communauté », ny « ministre de l’administration territoriale, ministre de la défense nationale, Chef du cabinet du Président Umalo, le Conseiller du président Umalo, Conseiller diplomatique du président Umalo, Conseiller politique du président Umalo, la Conseillère du président, l Maire de Bissau, Directeur général des affaires extérieures ary ny Directeur général de la Coopération international ».
Fanaovan-tsonia
Taorian’ny fivoriana teo amin’ny roa tonta dia niroso tamin’ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa miisa 2 tao amin’ny Salon Noble de la République izy ireo. Voalohany tamin’izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana lasitra (Accord cadre général de coopération entre Madagascar et de la Guinée Bissau) mirakitra ny fiaraha-miasa rehetra ahitana sehatr’asa miisa 28 (28 secteurs). Faharoa kosa ny fanaovan-tsonia ny « Communiqué conjoint » izay manambara fa hanatanteraka izay voarakitra AO amin’ity fifanarahana ity ny firenena roa tonta.
Ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Monja Sahivelo Lala Delphin sy « Ministre des affaires étrangères et de la coopération Internationale et des communautés Guinné Bissau » no nanao ny fifanaovan-tsonia. Marihina fa Mpisolontena ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ny Minisitra Monja Sahivelo Lala Delphin.
Araka ny fanazavana dia anisan’ireo sehatra hiaraha-miasa ny lafiny ara-miaramila ka manomboka izao dia ho isan’ireo hisitraka ny fiofanana ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ireo manamboninahitra avy amin’ny Tafika Bissau-guinéen. “Handefa Miaramila any Madagasikara avy hatrany izahay hiofana ao Antsirabe”, hoy ny filoha Umaro Sissoco.
ANDRY RAJOELINA: Nosalorana ny mariboninahi-pirenena faratampony amin’ny Fanjakana Guinée Bissau
Mialohan’ny nanoloran’ny Ben’ny tanànan’i Bissau ny Filoha Andry Rajoelina ny « Fanalahidin’ny ny tanànan’i Bissau » dia nosalorana : mariboninahim-pirenena faratampony amin’ny fanjakana Guinée Bissau ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Medaly antsoina hoe : « Amilcar Cabral » no anaran’izany Maribonibahim-pirenena izany.
Nisy ny famakiana ny Didim-panjakana laharana faha: 028/2024 Fiadidiana ny Repoblikan’i Guinné Bissau. Izany Didim-panjakana izany no mamaritra ny Fanomezana ilay Maribonibahim-pirenena faratampony Bissau-guinéenne. Tao amin’ny « Salon Noble de la République » anatin’ny Lapam-panjakana avokoa no nanaova izany lanonana rehetra izany.
Rehefa vita ny fandraisana ara-panjakana nataon’ny Filoha Umaro Sissoco ny Filoha Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana dia niroso nitsidika ny ozinina mpanodina « mahabibo » (noix de cajou) an’ny Orinasa groupe Santy Comercial
Nangonin’i LR.




