Fanadihadiana Manokana
Fisokafan’ny fizahantany any Nosy Be: Vonona ny mpisehatra rehetra handray ny mpizahantany
Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy tany Nosy Be, ny fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra amin’ny fizahantany, ho fanomanana ny fisokafan’ity sehatry ity any an-toerana, manomboka ny voalohan’ny volana oktobra ho avy izao.
Fiofanana izay karakarain’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany (ONTM) ary ny Ofisim-paritry ny fizahantany any Nosy Be.
Mpampiofana miisa 51 avy amin’ny sehatry ny fizahantany ao Nosy Be no voakasiky ny fampiofanana ny mpampiofana. Anjaran’izy ireo avy eo no manofana indray ireo mpiantsehatra rehetra any Nosy Be izay misandrahaka amina sehatr’asa maro, toy ny fandraisam-bahiny, ny trano fisakafoana, ny fitaterana, ny mpiseradia sns…
« Mahatratra 2.500 ireo mpiantsehatra kendrena hahazo fiofanana any Nosy Be. Ankoatr’izay, manodidina ny 230 ireo mpitantana sy tompon’andraikitra samihafa hahazo fiofanana ny 3 hatramin’ny 5 septambra », hoy ny fanazavana.
« Fitaovana maro, izay nokarakarain’ny MTTM sy ny ONTM ary novatsian’ny Vondrona Eropeana vola, no ampiasain’ireo mpampiofana, toy ny afisy samihafa izay mirakitra ireo fihetsika tokony atao sy ireo horonantsary fohy maneho mivantana ireo fihetsika vaovao tsy maintsy atao isaky ny sehatr’asa », hoy ihany ny fanamafisana. Efa nisy ihany koa ny fiofanana amin’ny alalan’ny « internet », notanterahina nandritra ny volana jolay sy aogositra ho an’ireo mpiantsehatra rehetra manerana ny Nosy ary mbola itohy mandritra ity volana septambra ity.
Nosy be: Nahetsika avokoa ny mpisehatra sy ny tompon’andraikitra rehetra
Taorian’ny valan-dresaka nataon’ny Filoham-pirenena, ny 9 aogositra lasa teo, nilaza ny minisitry ny Fitaterana, Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, Randriamandranto Joel, fa fepetra maromaro no noraisina nahafahan’ny Fanjakana nandray io fanapahan-kevitra io. Voalazany nandritra izany fa efa nisy ny fifampiresahana natao teo amin’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha ara-pizahantany tany Nosy Be. « Nilaza ireo mpandraharaha fa efa vonona handray ny mpizahantany, ary efa voaomana koa ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany », hoy ny minisitra. Anton’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra. Ireo mpizahantany rehetra nanao ny famandrihan-toerana hihazo an’i Nosy Be, ny volana oktobrahi avy izao, dia tsy nisy nanafoana izany. Efa vonona ireo mpizahantany ny ho aty amintsika, na eo aza ny zava-mitranga maneran-tany amin’ny Covid-19.
Manaraka ny arofenitra ara-pahasalamana
Nohamafasina fa tsy maintsy manaraka ny arofenitra ara-pahasalamana na « Protocole sanitaire », ny rehetra mba hisorohana ny mety hiparitahan’ny aretina indray, indrindra ho an’ny vahoakan’i Nosy Be. Efa nampahafantarina ireo mpandraharaha ara-pizahantany rehetra any an-toerana izany.
“Ireo mpisehatra eo amin’ny fitarihan-dia, na trano fandraisam-bahiny, na toeram-pisakafoana, na mpampanofa fiara, dia samy manana ny arofenitra ara-pahasalamana tsy maintsy harahana avokoa”, hoy ny fanavazany.
Efa anatin’ny fanatanterahana ny fiofanana araka ny efa nampanantenaina ny minisitera. Hisy ny taratasy fanekena hasaina soniavin’ireo mpisehatra, izay manambara ny fanarahana amin’ny antsakany sy andavany ireo fepetra voalaza. Nanamafy ny minisitra fa na misokatra aza ny fizahantany any an-toerana, dia hisy hatrany ireo toerana tsy azon’ny mpizahantany haleha, indrindra ireo toerana tsy hahafahana manaja ireo rindran-damina ara-pahasalamana rehetra takiana. Tsy azon’ny mpizahantany atao ny mivoaka ny tanànan’i Nosy Be mandritra ny fotoana hivahinianany any an-toerana.
Efa vonona ireo minisitera tsirairay amin’ny andraikitra raisiny
Manoloana ny fanapahan-kevitra fisokafan’ny fizahantany ao Nosy Be, nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hahafahana mameno ireo fepetra rehetra takiana miaraka amin’izany fanapahan-kevitra izany. Tafiditra ao anatin’izany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny SEG, ny CCO nasionaly sy CRCO ao Nosy Be, ny solontenan’ny mpandraharaha ara-pizahantany manerana an’i Madagasikara, ny “Office du tourisme de Madagascar”, ny “Ravinala Airports”, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, ary ny Minisitry ny Atitany. Samy manana ny andraikiny daholo ireo, indrindra ny ao amin’ny Fahasalamana.
Raha tsiahivina ny resaky ny Filoham-pirenena, tsy maintsy manao fitiliana, ary voamarina fa “negatif” ny mpizahantany iray vao afaka mihazo an’i Nosy Be. Rehefa tonga ao an-toerana koa, tsy maintsy hatao ny fitiliana ireo mpandeha rehetra.
“Raha sanatria ka misy tranga voamarina amin’ireo tonga ao an-toerana, dia efa vonona ny fotodrafitrasa hanokana-monina azy ireo. Eny fa na ireo izay mety hanao “Cas grave” aza”, hoy ny fanavazana.
Ankoatra ireo, tsy maintsy manana tapakila miverina any amin’ny toerana niaingany avokoa ireo mpizahantany rehetra migadona ao Nosy Be. Ary koa, efa napetraka ny “Tunnel desinfectant” ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be, hamonoana ny tsimok’aretina mety hentin’ny mpandeha vao tonga.
Zotram-piaramanidina anatiny: Miisa 28 isan-kerinandro ho an’ny fiaramanidina Tsaradia »
Nisokatra nanomboka ny 1 septambra teo ny sidina ara-barotra anatiny mampitohy an’Antananarivo sy Sambava, Antsiranana, Taolagnaro, Toliara, Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, Sainte-Marie, Maroantsetra, Morondava. Ho an’ny fiaramanidina Tsaradia, miisa 28 isan-kerinandro ny sidina ho ataony amin’izao fiverenan’ny sidina ara-barotra izao, izay voalaza fa manaraka ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana. Hanatanteraka sidina mandroso sy miverina ny fiaramanidina. Ny seranam-piaramadina ao Toliara, Morondava, Sambava, Nosy Be, Toamasina, Sainte Marie, Tolagnaro, Mahajanga, Maroantsetra ary Antsiranana no hisinatarana izany. Manao fitiliana PCR avokoa ny mpandeha handray fiaingana sy eny am-pahatongavana eny Ivato, araka ny fepetra efa napetraky ny fitondrana. Voalaza fa mandoa 100.000 Ariary ny mpandeha isanisany ho saran’ny fanaovana io fitiliana PCR io, ankoatra ny vidin’ny tapakila.
Efa an’arivony ireo namandrika sidina tao anatin’ny herinandro monja
Ny fisokafan’ny sidina amin’ny fomba ofisialy no ela, efa manodidina ny 1.500 ny isan’ny olona namandrika toerana ao amin’ny Tsaradia, ao anatin’ny herinandro fotsiny. Ny 60% amin’ireo izay mpandeha vaovao hihazo ny faritra niaviany avy, ny asa sns, ary ny ambiny kosa ireo efa namandrika toerana nialoha ny hamehana ara-pahasalamana ka taraiky teto an-drenivohitra. Anisan’ny nahatonga ny fahamaron’ny olona handeha fiaramanidina ny fanitsiana natao teo amin’ny saran-dalana, izay nasiana fihenam-bidy hatramin’ny faran’ny volana oktobra. Raha handeha ho an’ny Nosy Be izao, 400.000 Ar ny saran-dalana amin’ny sokajy « affaire » raha toa ka 900.000 Ar teo aloha. Ankoatra izany, tsy mandoa saran-dalana ny zaza latsaky ny roa taona, ary mahazo fihenam-bidy hatramin’ny 70% ny ankizy latsaky ny 12 taona.
Tsy misy atahorana ny lafiny filaminana sy fiarovana ny mpandeha anatin’ireo sidina 28 isan-kerinandro, raha ny fanazavan’ny talen’ny Tsaradia, Andriamamonjy Rafanomezantsoa. Na eo amin’ny lafiny teknika amin’ny fiaramanidina sy ny sidina, na ara-pahasalamana, efa tomombana avokoa. Araka ny fepetra efa napetraka, eo aloha ny fanajana ny elanelana sns. Manampy izany ny fitiliana PCR, izay tsy maintsy ataon’ny mpandeha 24 ora mialoha, na 72 ora mialohan’ny sidina. Tsy maintsy aseho avokoa ny taratasy rehetra momba izany eo am-panaovana ny fanamafisana ny sidina miainga eto Antananarivo ho any amin’izay faritra aleha.