Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMPIDIRANA MPIASAM-PANJAKANA: Olona ampolony voasoloky 1 400 000Ar avy, lehilahy iray nidoboka am-ponja

Nametraka fitoriana teny anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava an’Antananarivo ny Minisiteran’ny Asa vaventy – MTP, rehefa naharay fitaraina maromaro momba ny fisiana fisolokiana ataon’olona iray milaza fa mahatafiditra mpiasa ao amin’io Ministera io. Nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka lehilahy iray mpanao io asa fisolokiana io no voasambotra tamin’izany.

Tranga matetika mpiseho eny anivon’ireo Ministera sy orinasam-panjakana eto amintsika ny fisolokiana momba ny fahafahana mampiditra mpiasa. Maro ireo olona tafajoboka amin’izany noho ny tsy fahalalana sy fitiavana te ho isan’ireo mpiasam-panjakana. Vao tamin’ny herinandro lasa teo, ohatra, no nahatrarana izany tranga fisolokiana izany tany amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Tamin’ity herinandro ity indray, lasibatra ihany koa ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP).

Rehefa izany, nametraka fitoriana teny anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava an’Antananarivo ny MTP, rehefa naharay fitaraina maromaro momba ny fisiana fisolokiana ataon’olona iray milaza fa mahatafiditra mpiasa ao amin’io Ministera io. Nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka lehilahy iray mpanao io asa fisolokiana io no voasambotra tamin’izany. Fomba fiasany ny hoe mampanantena ireo olona fitahiny izy fa afaka raisina ho “agent de surface” ao amin’ny MTP izy ireo ka angalany vola 1 400 000ariary isan’olona. Karapanondro sandoka no ampiasainy hanaovana fifanekena amin’izany. Nihaiky io heloka vitany io moa ny lehilahy ary fantatra fa efa nahavita nisoloky olona miisa 12 izy tamin’ny fanaovany io asa ratsy io. Niakatra fampanoavana omaly ny tenany ary naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany.

Manoloana ny tranga toy izany, manentana ny olona mba samy ho mailo hatrany ny Chef d’Escadron Razanaparany Félix, tale misahana ny mahaolona eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy. Nohazavainy fa misy fepetra sy manaraka dingana maro ny fampidirana mpiasa ao amin’ny Ministera. Tsy maintsy havoaka ho hitan’ny rehetra eny amin’ireo haino vaky jery sy tambazotran-tserasera ofisialin’ny Ministera ny tolotr’asa misy ao amin’izy ireo. Nomarihiny ihany koa fa mangarahara ny fampidirana mpiasa eo anivon’ny Ministera satria miara-miasa akaiky amin’ny Bianco sy ny birao miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly ny komity manokana misahana ny resaka fampidirana mpiasa.

Sarobidy Sidonie.

Fermer