PolitikaSongadim-baovaoToekarena

OLAN’NY FAMATSIANA HERINARATRA : Mila mitondra vahaolana ny mpitantana ny Jirama

Mila mandray ny anjara andraikitra tandrify azy manoloana ny olan’ny famatsian-jiro sy rano ankehitriny ireo tompon’andraikitra voakasika mivantana amin’izany. Vahaolana fohy ezaka nasoron’ny Jirama ny fanaovana fandatsahana orana artifisialy mba hampiakarana ny haavon’ny tohodrano enti-mamokatra herinaratra.

Miantraika mivantana amin’ny asa fiveloman’ny mponina ny fahatapahan-jiro maharitra saika iainana manerana ny Nosy, indrindra eto an-drenivohitra. Iray amin’ireo sehatr’asa miankina betsaka amin’io herinaratra io ny fikoloana endrika amam-bika. 15 taona izao no nisehatra tamin’izany ny trano fikoloam-batana iray eto an-drenivohitra, ary hahafantaran’ny maro azy ireo ny tolotra fanaovam-bolo. Tao anatin’ny 3 taona anefa, tsy maintsy nisafidy ny hampiasa ireny vata mpamokatra herinaratra ireny io orinasa io, noho ny fitotongan’ny famatsian-jiro avy amin’ny Jirama. Vokatry ny fahatapahana matetika tato ho ato, nitombo avo roa heny ny fandanian’izy ireo, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Tsy ny orinasa madinika rehetra anefa no manana fahafahana hisitraka vata mpamokatra herinaratra. Isan’ireny ny orinasa kely iray mpanjaitra akanjo lamaody, tafaresaka taminay ny tompon’andraikitra. Nohazavan’ity farany fa ankoatra ny vokatra manodidina ny 50 izay varotan’izy ireo an’habaka isan’andro dia mamatsy ireo mpivarotra mpamongady mila vokatra manodidina ny 150 isa isan’andro ihany koa izy ireo. “Manimba ny asa fivelomanay ny fahatapahan-jiro”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy misy afa-tsy ny antsasak’ireo vokatra ilaina isan’andro, izany hoe akanjo manodidina ny 100 isa, no voazaitran’izy ireo ao anatin’ny andro iray. Mihena ny vola miditra, ary mihena manaraka izany ihany koa ny fatokisan’ny mpanjifa azy ireo.

Filazana ny tena olana marina…

Isan’ireo naneho ny heviny mahakasika io olan’ny sosialim-bahoaka ankehitriny io ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy. Adihevitra narosony ny hoe “fa maninona ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama no tsy milaza mazava amin’ny mpanjifa hoe inona no tena olana fa andrasana ny Praiminisitra indray no hanazava? Mila mahasahy miatrika olana rehefa manaiky omena andraikitra”. Nambarany ihany koa fa “ho fanajana ny mpanjifa kosa dia ilaina ny filazana mazava hoe izao no olana, izao no vahaolana heverina ampiharina ary afaka firy volana na firy taona vao hivaha tanteraka ny olana. Aza avela ho lasa tompon-trano mihono ny Malagasy fa izany no tena miteraka fahasorenana”.
Ankilany, tafaresaka tamin’ireo mpanao gazety koa ny Filohampirenena Andry Rajoelina tamin’ny alarobia lasa teo ka tsy hay ny tsy hiresaka io olana mianjady amin’ny vahoaka io. Mitovy ny fomba fijeriny sy ny Minisitra teo aloha ka nisongadina tao anatin’ny fanazavan’ny Filoha ny hoe adidin’ny tompon’andraikitra ny mikaroka vahaolana manoloana ny fitaraina amin’ny fiverenan’ireo fahatapahan-jiro. Misy ny Tale Jeneralin’ny Jirama sy ny Minisitra izay tompon’andraikitra mivantana voalohany amin’ny fandrosoana vahaolana. Rehefa izany, nambaran’ny Filoha hatrany fa hisy ny fivoriambe iarahana amin’ny Tale Jeneralin’ny Jirama amin’io herinandro ho avy io. Antony hanatanterahana izany ny tsy maintsy ilazana ny marina mahakasika ny olan’ny famatsian-jiro sy rano misy ankehitriny. Tsy maintsy hatao mandritra io fivoriana io ihany koa ny fandrosoana vahaolana avy amin’ny Jirama. “Ny zavatra atao dia tsy maintsy mitady vahaolana maharitra eo anatrehan’izay olana atrehan’ny Jirama izay, na amin’ny resaka jiro io, na amin’ny resaka rano”, hoy hatrany ny Filoha. Hahafahana manatratra izany ny fitodihana amin’ny famokarana izay manome lanja ny fampiasana angovo azo havaozina.

Vokatry ny fihenan’ny haavon’ny rano

Efa ho iray volana mahery izao no nihamafy ny olan’ny famatsiana herinaratra teto an-drenivohitra, ankoatra ny olan’ny fisitrahana rano izay efa nisy an-taonany maro. Ny zavatra hita dia ny hoe miezaka mitady sy manovaova hatrany ireo antony mahatonga ny fahatapahan-jiro ny Jirama mba hanazava sy hanamarinan’izy ireo ny fanapahan-jiro izay atao. Mahakasika ny olana misy amin’izao fotoana, tamin’ny alarobia lasa teo ihany koa vao nahitan-teny ny Tale Jeneralin’ny Jirama Ron Weiss. Nohamafisiny tamin’izany fa nohon’ny fihenan’ny haavon’ny tohodrano izay mampiodina ny toby famokarana herinaratra ao Andekaleka, vokatry ny fidirana ato anatin’ny vanim-potoan’ny main-tany, no mahatonga ny Jirama tsy maintsy manao ny fahatapahan-jiro mifandimby ambara fa maharitra ora 3 isan’andro. Ny ao Andekaleka izay toby famokarana lehibe mamatsy herinaratra ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa 4 ireo vata lehibe mpihary herinaratra ao Andekaleka ka ny 2 amin’izy ireo ihany no afaka mamokatra herinaratra amin’izao main-tany izao. “Raha ampiasaina daholo ny vata 4 dia vetivety dia midina ny haavon’ny rano amin’ny tohodrano ary tsy afaka mamokatra betsaka intsony ny toby famokarana herinaratra”, hoy ny fanazavana. Raha tokony mamokatra herinaratra amin’ny tanjany 120MW isan’andro Andekaleka dia mihena hatramin’ny 40MW eo fotsiny izany ankehitriny. Ezahana ampiakarina ho 80MW izany rehefa amin’ny hariva, miankina amin’ny haavon’ny rano hatrany.

Manoloana ny olana misy, vahaolana fohy ezaka naroson’ny Tale Jeneralin’ny Jirama ny firosoana amin’ny fandatsahana orana artifisialy mba hampiakarana ny haavon’ny rano ao amin’ny tohodrano. Efa misy, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ho fampiharana izany. Rahampitso 17 aogositra no voatondro hanatanterahana azy, rehefa feno ny fepetra. Aorian’izay, araka izany, vao afaka manantena fanatsarana tsikelikely amin’ny fisitrahana herinaratra ny mpanjifa.
Ho an’ny vahaolana lavitr’ezaka, mitaky fampitomboana toby famokarana herinaratra eto Madagasikara, hoy ny tompon’andraikitra, satria mitombo hatrany ny olona mangataka hisitraka tolotra. Hiarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka ny fanatanterahana izany ary atao laharam-pahamehana ny fananganana toby famokarana herinaratra miainga avy amin’ny herin’ny masoandro. Ankoatra io, mbola vahaolana hafa ihany koa ny fampifandraisana ny famatsiana an’Antananarivo sy Toamasina mba hahafahana manatsara ny tolotra. Farany ny fampitomboana tohodrano hahazoana manampy ny famokarana avy ao Andekaleka. “Mino ny Jirama fa ny vahaolana lavitr’ezaka sy fohy ezaka atao dia tokony hahavaha ny olan’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara”, hoy hatrany i Ron Weiss.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer